Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Ambalatavoahangy ny jiolahy roa, raha nahazo fahafahana kosa ny iray hafa. Tompon’ antoka tamin’ny famakiana ny fiaran’ny ben’ny Tanànan’i Sambava, ny 23 mey lasa teo ry zalahy ireto. omaly, araka izany, vao nifarana tanteraka ity raharaha ity. Nandritra ny fivorian’ny governoram-paritra 23 sy ny […]
Songadina
Filoha Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron: manohana ny fifidianana demokratika i Frantsa
Notanterahina tao amin’ny lapan’i Elysée, omaly, tany Frantsa, ny fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Nivoitra tamin’izany ny fahavononaan’i Frantsa hanohana ny fifidianana hatao eto amintsika. Nohamafisin’ny fanambarana tamin’ny fihaonana fa vonona ny Frantsay hanohana ny ezaka ataontsika amin’ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara ary demokratika. […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Manaja ny fandaminan’ny depiote ny governemanta”
Naneho hevitra manoloana ny tsy naharaikitra ny adihevitra momba ny tatitry ny governemanta, tokony ho niarahana amin’ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Christian. “Tany demokratika isika, lapan’ny demokrasia ny Antenimierampirenena ka manaja ny fandaminan’izy ireo izahay. Tonga ny governemanta rehefa nantsoina hiatrika ny adihevitra, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana”, hoy izy. Nohamafisiny […]
Nanjavona ny depiote: nody maina ny governemanta
Zara fa nisy depiote nandray ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Nahemotra ny ady hevitra teo amin’ny roa tonta. Voatery nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny adihevitra momba ny tatitra nataon’ny governemanta, araka ny tapaky ny depiote, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana. Nahanjahanjan’ireo solombavambahoaka, nandritra ny ora iray mahery, […]
Halatra fiara 4×4 : mpitondra taxi nosamborin’ny polisy teny Tanjombato
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Sûreté urbaine ny jiolahy nangalatra fiara, nanaovana filazana fahaverezana, tao amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”. Tratra teny Ankadilalampotsy Ankaraobato ity jiolahy ity, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora. Nafeniny tao amina kizo iray ity fiara ity rehefa avy nangalariny. Tsiahivina fa very nisy nangalatra teo amin’ny fiantsonan’ny […]




