Hofaranana tanteraka ny 20 jolay izao ny rejisitry ny mpifidy, araka ny nambaran’ ny Ceni, teny Alarobia, omaly. Na izany aza, mbola azo atao ny mitondra fanamarihana momba izany. “Hatao petadrindrina eny anivon’ny fokontany ny lisitra nofaranana ny 10 jona ka manana 20 andro hanaovana fanamarihana sy fanamarinana ny olom-pirenena […]
Songadina
Torimaso fotsy: fiara tsy mataho-dalana, nahafaty mpitaom-biriky
Maty tanatin’ny indray mipi-maso ny mpitaom-biriky iray. Voafaokan’ny fiara teny Anosizato, omaly. Voalaza fa tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. Olona iray namoy ny ainy teo no ho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana iray nikasa hihazo an’Ampitatafika no niharan-doza […]
Miaro mpanolana : reny niteraka naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja ny renin’ilay zazavavikely 12 taona sady voaolana no bevohokan’ny raikeliny. Naleon-dramatoa nikarakara ilay mpanolana any am-ponja toy izay ny zanany. Nanaraka am-badiny, mamita sazy any am-ponja koa ny renin’ ilay zazavavikely 12 taona niharan’ny fanolanana tao Vatomandry, ka bevohokan’ ny raikeliny. Tsy fikarakarana an-janany no antony nampidirana am-ponja […]
Tenisy – « Mondial 2023 » : tompondaka tamin’ny “Billie Jean King Cup” i Madagasikara
Tanteraka ny fanamby ho an’ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy, taranja tenisy. Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup » izy ireo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Tanzania, nandritra ny lalao famaranana, izay natao ny sabotsy 10 jona lasa teo, tany Kigali, Rwanda. Araka izany, tafita ao […]
Noho ny fandehanana mafy: nivadika ny fiara, naratra ny mpamily
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambodiafontsy anatin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly maraina. Fiaran’olon-tsotra iray nidona tamin’ny sisin-dalana ka nivadika vokatry ny fandehanana mafy, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Avy any Ampitatafika nikasa hihazo an’i Malaza ity fiara ity. « Nifanena tamin’ny fiara iray izy. Taratry ny jiron’ilay fiara io ny […]




