Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tetsy Ampahibe, omaly, ilaina ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy ny fanatanterahana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Ho fanomanana sahady io fety anisan’ny manamarika tantaram-pirenena io, nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny kaomity nasionaly mpikarakara ny fankalazana izany, […]
Songadina
Tambajotra Gool Den Team : mpianatra 25 voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo tanora mpametaveta tovovavy virijiny sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. 22 ireo mpianatra voasambotra miampy ireo telo lahy mpitarika. Tsy mety fay mihitsy! Tsy niandry ela fa taorian’ny fitsirihana ireo kizo ahina fa misy ny fiafenan’ireo zatovolahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana mpametaveta ankizivavy virijiny “Gool Den […]
Safotra tampoka teny an-dalana : raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Raim-pianakaviana iray 54 taona hitan’ny olona safotra teny an-dalana tao Mangarivotra Atsimo, omaly. Nisy nanatitra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanadihadiana voaray, nandeha teny an-dalana izy ka nidaraboka tampoka ka hitan’ny fokonolona. Nivilana ny vavany sady nilefitra ny tanany. Niezaka ireo nanatri-maso […]
Haintrano : “Prise” tsy voatsoaka, nirehitra ny trano
Hadinon’ny tompon-trano ny nanala ny “prise”mitarika ny herinaratra, omaly! Vokany, may ny trano, hotohoto ny entana rehetra teny Antanety Avaratra, Ambohimanarina. Trano rihana iray kilan’ ny afo tao Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 9 ora. “Hadino ny nanala ny prise tamin’ny milina fanjaraina ka niteraka ny court-circuit”, hoy ny tompon-trano. Tsy […]
Disadisa an-tokantrano : notaperin-drangahy ny aim-badiny
Noleran-drangahy antsy, novonoiny ho faty ary naleviny tao an-tokontany ny vadiny, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, Toamasina II, ny alahady tolakandro teo. Tonga nijery io anabaviny io tany an-trano ny anadahiny saingy mihidy hatrany izany. Nanatona ny biraon’ny fokontany misy ny anabaviny hanontany vaovao ilay lehilahy. Nampandre ny mpitandro filaminana taorian’izay […]