Songadina

Zandary tsy hita : vatana mangatsiaka sisa natsingevan’ny rano

Efatra andro aty aorian’ny nanjavonany, vatana mangatsiakan’ilay mpianatra zandary sisa hita, omaly. Tsy hita na­nomboka tamin’ny sabotsy izy. Nampiahiahy ireo mpiray andiany taminy ny tsy fahitana azy. “Nihazakazaka nanao ny 8 km mahazatra izy ireo ny marain’ny sabotsy teo”, hoy ny kaomandin’ny sekolin’ny zandarimaria. Rehefa nifarana ny hazakazaka, tsy tonga […]

Fitsaram-bahoaka: Depiote iray voampanga!

Olona 47 tamin’ny 107 nosamborina no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony. Tafiditra ho anisan’ny voampanga ny depiote iray. Niakatra teo amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao fa­motorana ny raharaha momba ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony, afakomaly. Nitohy hatramin’ny omaly maraina be izany ka 47 tamin’ny olona […]

Fitsaram-bahoaka tao Fianarantsoa: niakatra fampanoavana ireo olona iray kamiao voasambotra

Niakatra eo anivon’ny fampanoavana ao Fiana­rantsoa, omaly hariva, ireo olona iray kamiaobe indray voasambotry ny polisy sy ny zandary tamin’ilay raharaha fitsaram-bahoaka nitranga tao Andranomaitso. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nandray ny antontan-taratasin’ireo voarohirohy avy amin’ny polisy ny fampanoavana raha mbola niandry kosa ny antontan-taratasy avy amin’ny zandary. Nitohy […]

Lisi-pifidianana : hisy 20 andro farany hanoratana anarana

Mbola afaka manamarina farany ny anarany anaty lisitra ny mpifidy. Manana 20 andro izy ireo aorian’ny 10 jona.Omen-tsehatra manokana ny olona tena tsy mbola nisoratra anarana. “Am-perinasa izao ny rantsamangaikan’ny Ceni eny ani­von’ny distrika amin’ny fandikana ny lisitry ny mpifidy farany amin’ny ordinatera hamoahana azy ho lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny […]