Nanomboka omaly hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika « Salon de l’auto », karakarain’ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara eto Madagasikara (GCAM). Miisa 10 ny mpikambana ao aminy, ary 25 ny mpampiranty, ahitana mpivarotra fiara amin’ny ankapobeny, kamiao, fiara vaventy enti-miasa, moto, kojakoja, vokatra ilain’ny fiara, […]
Toe-karena
DAB-SG : afaka hakana vola amin’ny Orange money
Azo atao manomboka izao ny misintona vola Orange money eny amin’ny « Distributeur automatique de billet » (Dab) ny Société Générale (SG) manerana ny Nosy. Mitovy sarany toy ny eny amin’ny Cash point ny fanaovana izany. Tombony ny hahafahana misintona vola amin’ny fotoana rehetra eny amin’ireo Dab 139 ny SG tsy ampiasana […]
Olan’ny rano : nandroso vahaolana ny fitondram-panjakana
Efa ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana entina mamaly ny filan’ny vahoaka sy mamaha ireo olana misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Anisan’izany izao vahaolana fohy ezaka tanterahina izao. Efa niatrana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nanomboka omaly, ireo fiarabe hitatitra rano ho amin’ny ireo « Bonbonnes », izay efa miparitaka manerana ny tanànan’Antananarivo. Anisan’ny fepetra noraisina nandritra […]
PAMF: hanome vahana ny tolotra niomerika
Hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ireo no tanjona apetraky ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Laharaham-pahamehany ny hanamorana ny fikirakirana vola eto Madagasikara, ny hampiroborobo ny toekarena sy hanakaiky ny mpanjifa indrindra ireo toerana any an-tany lavitra. «Tanjona ny hahamatihanina ny fifandraisana amin’ny mpanjifa», hoy […]
Olan’ny Jiro sy Rano eto an-drenivohitra : hitondra vahaolana, anio, ny filohan’ny Repoblika!
”Olan’ny jiro sy rano: rahampitso ( anio) ihany dia hitondra vahaolana ho an’Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Sasa-miandry ny vahoaka ! Nanisy fanamarihina mahakasika ny olana amin’ny jiro sy rano, ny filoha Rajoelina, omaly, ankoatra ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana «scanner» teny amin’ny Hopitaly Manara-penitra Andohatapenaka. Nambarany fa, […]