Manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tanjona ny hamboly zana-kazo 40 000 amina faritra miisa 13, manerana ny Nosy. Natomboka ny zoma teo, tany amin’ny kaominina Masindray, ny hetsika ka nahafahana namboly zana-kazo 4 000 niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny mpianatra sy ny mpampianatra […]
Toe-karena
Tondradrano : 53 tapitrisa euros ny tetikasa PIAA2
Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa « Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo- Phase II » na ny PIAA2. Hiompana amin’ny fametrahana fotodrafitrasa hisorohana sy hampihenana ny tondradrano izany. Hanampy amin’ny fanavaozana ny tambajotran-drano maloto sy ranon’orana ihany koa. Ankoatra izay, hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, indrindra eny amin’ny faritra iva. Mitotaly 53 tapitrisa euros […]
FEC -FRD: Fitsirihana ataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena
Manan-danja amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny famatsiambola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Tombanana, ankehitriny, ny zava-bitan’ny fanjakana malagasy sady dinihina ihany koa ny hoavy. Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tarihin’i Constant Lonkeng Ngouana. Mandritra ny roa herinandro ny dian’izy ireo, tafiditra ao anatin’ny fitsirihana faha-3 sy faha-4 ny fandaharanasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy ny fametrahana faritra voatokana ho an’ny mpitrandraka madinika, any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Kaominina miisa 4 (Belindo Mahasoa, Tanandava, Anivorano Mitsinjo, Beteza ary Tranomaro), samy distrika Bekily. Notsidihin’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Anosy sy Androy ny toeram-pitrandrahana vato indostrialy sy akoram-by any an-toerana. Tanjona ny hampidirana anaty […]
Sendikà Sempifafi : Hiara-kiasa ny mpiasa sy ny minisitera
Noraisin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, ny Sendikan’ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Sempfafi, ny 26 marsa teo. Naneho fisaorana sy firariantsoa ary fiarahabana ny minisitra izy ireo. Voaresaka fa hamafisina ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fifanajana sy ny firindrana eo amin’ny mpiasa sy […]




