Misy ny fitaovana niomerika manokana ampiasain’ny Rafitra fanaraha-maso sy fanangonana ny antontanisa, mahakasika ireo zava-bita sy ny vokatra, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny ahafahana mikirakira ny angom-baovao entina hanarenana ny endri-tany sy ny ala eto amintsika. Kendrena hatrany amin’ny 4 tapitrisa ha ny […]
Toe-karena
Noho ny ady any Iran: Mety hisondrotra ny vidin-tsolika amin’ny avrily
Miova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika, manaraka ny tsena iraisam-pirenena. Azo heverina fa tsy maintsy hisondro-bidy izany amin’ny volana avrily, noho ny fidangany vokatry ny ady mbola mitohy any Iran. Tafakatra 110 dolara ny vidin’ny iray barila (1b=159 litatra) amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena « Brent », ny 26 marsa teo. […]
VAOVAO TAMBATRA
Hitohy ny talata 31 marsa, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny dinika fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara mahakasika ny hoavin’ny vola malagasy. Miantso ny rehetra hamonjy ny fihaonana ny BFM handraisana ny hevitry ny maro hanatsarana sy hampivoarana ny Ariary, ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina […]
Tetikasa « Vehivavy Mijoro »: Seha-pihariana karazany telo hahavelon-tena
Nampahafantarin’ny Sipem banky, ny 26 marsa teo, ny tetikasa « Vehivavy mijoro », hanohanana ny vehivavy marefo. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miarina amin’ ny fiainana sy hahaleo tena ara-pihariana. Miisa 15 ireo vehivavy nosafidina amin’ity andiany voalohany ity. Seha-pihariana telo nosafidiana hampiofanana azy ireo, ny zaitra (Eccova), ny taovolo (Ipac), ny nahandro […]
Televiziona-StarTimes : Tolotra manokana ho an’ny mpanjifa
Manome tolotra manokana ny StarTimes amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Misy ny fihenam-bidy omeny ny mpanjifa. Nohazavain-dRamatoa Florence Zhu, tale ara-barotry ny StarTimes, fa tsotra, haingana ary ahazoana tombontsoa maro, mifanandrify arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tolotra omena. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa karazana fandaharana maro samihafa. Misy karazany telo […]




