Nihena ho 4 300Ar ny kilaon’ny siramamy mena raha toa ka 4 800Ar izany teo aloha. Mahavelombolo ny mpanjifa, indrindra ny fitantanana isan-tokantrano, ny zava-misy. Tsiahivina fa efa tafakatra hatrany amin’ny 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy tamin’ny taon-dasa ka nampikaikaika ny mponina. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ireo vary nafarana avy any Pakistan […]
Toe-karena
Agroekolojia : fiatrehana ny haintany any Atsimo
Ampiharin’ny mponina any Atsimo ny fomba fambolena agroekolojika. Tanjona ny ahafahana miatrika ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Teknikam-pambolena vaovao mahazaka ny haintany ny agroekolojia. Fambolena amina velarantany 10 ha farafahakeliny. Manodidina ny 2 hatramin’ny 3 taona ny fahavelomany, ka azon’ny mponina atao sakafo ny vokatra ary atao kitay ny […]
CEG Talatamaty : nanentana ara-pahasalanmana ny WMG
Nanao fanentanana sy fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovovavy mpianatra eo anivon’ny CEG Talamaty ny Wednesday Morning Group (WMG), omaly. Efa tafiditra ao anatin’ ny taona maha zatovo sy efa misy tonga fotoana ny ankamaroan’ny zatovovavy rehetra eny anivon’ny CEG, raha ny zava-misy. Amin’ny ankapobeny, mbola fady ary tsy azo resahina […]
Airtel : fankasitrahana ny mpanjifa
Ataon’ny orinasa amin’ny fifandraisan-davitra Airtel laharam-pahamehana ny mpanjifa. Hanamafisana izany ny nanokanana herinandro ho azy ireo. Toy ny isan-taona, manokana Herinandron’ny tolotra ho an’ny mpanjifa ny orinasa Airtel, amin’ity herinandro ity. Hampiavaka izany ny fanavaozana ny fanomezana tolotra vaovao ny mpanjifa, ka anisan’izany ny fankasitrahana azy ireo. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel […]
Fampiroboroboana ny fizahantany: hatao any Morondava ny JMT andiany faha-46
Hotanterahina any Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany andiany faha-46 (JMT), ho an’ny taona 2025. Tapaka izany taorian’ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, tany an-toerana, ny herinandro teo. Nahafahana nanombana sy nampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny faritra izany. Malaza sy hamantaran’ny […]