Zava-dehibe ho an’ny Orange Madagascar ny manamafy ny fifandraisany amin’ ny mpanjifa. Paikady nanatanterahiny izany ny fitetezam-paritra “Roadshow”, hetsika notarihin’ny Tale jeneralin’ny orinasa, Aminata Ndiaye, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, tao Nosy Be sy Antsiranana, ny alahady teo. Nisy ny fifanakalozan-kevitra mivantana sy malalaka niarahana tamin’ireo mpanjifa sy orinasa […]
Toe-karena
toamasina – Angovo : Ho antoky ny fampandrosoana
Mazava ny paikadin’ny Tetikasa Volobe II CGHV (Compagnie générale d’hydroéléctricité de Volobe, II). Ny fahaleovantena amin’ny angovo no antoka hampandrosoana an’i Toamasina. Fantatra izany nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny laboratoara Fidepa, ny alatsinainy 11 mey teo. Andrasan’ny CGHV, ny Spat, ny Oniversiten’i Toamasina ary ny Antenimieran’ny varotra ireo fiarahamonim-pirenena sy mpandraharaha […]
Olan’ny rano : Fantsona efa antitra 64 km hosoloina
Anisan’ny tena olana amin’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra ny fantsona efa antitra sy harafesina. Ankehitriny, efa an-dalam-panatanterahana ny fanoloana azy ireny, raha tsy nety vita hatramin’izay fa nijanona ho fikasana ihany. Feno 50 taona ny orinasam-panjakana Jirama. Anisan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa tato aho ato ny fihenan’ny famatsian-drano, ka nilazan’ny mpitantana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamafisina ny fiarovana ny Valanjavaboahary Menabe Antimena (Apma). Tonga tany Beroboka, distrikan’i Belo Tsiribihina, ny tomponandraiki-panjakana rehetra, niaraka tamin’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana any an-toerana. Nohazavaina ny faritra misy ny tanin’i Deholme, ny faritry ny Ala Fady sy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanehoana ny sarintany mamaritra azy ireo avy. […]
Zotra ana habakabaka: Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Emirates
Nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, ny talata 12 mey teo, ny tomponandraikitry ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Emirates sy ny avy amin’ny sambo mpitsabo Mercy Ships. Naneho ny fahavononany hanohizana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Emirates. Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ny asa iarahana mivantana […]





