Vonona hanohana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ny Oniversiten’i Stanford, any Etazonia, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Stanford Seed Transformation Program (STP). « Tanjona ny hanampiana ny orinasa eto an-toerana amin’ny alalan’ny fiofanana hahafahany manitatra ny sehatrasany sy mampivelatra ny fandrahaharany », hoy ny solontenan’ny STP, Davis Albohm, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa tetsy amin’ny […]
Toe-karena
Dingadingana : Nohavaozina ny fitrandrahana
Nohavaozina ny fitrandrahana dingadingana sy drakaka mba hiantohana ny fitantanana taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena manga sy ireo mpisehatra. Voafaritra tao anatin’izay fa « mikatona ny taom-panjonoana manomboka ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 marsa. Nofaritana ihany koa ny haben’ireo hazandrano azo jonoina ireo. Rarana ny fampiasana ny bouteille de plongée ary […]
Fitaterana : Tsy maintsy ampandehanina ny sokajin-jotra rehetra
Nampihetsika avy hatrany ny drafitra vonjy taitrany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Mila haverina amin’ny laoniny haingana ny zotram-pitaterana rehetra. Notombanana ara-teknika ny zavatra simban’ny rivodoza Gezani. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitra MTM, Raharisone Juste […]
VAOVAO TAMBATRA
Entanin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tsy hanararaotra ny fahavoazana, hampiakarana ny vidin’entana, ny mpivarotra sy ny mpandraraha rehetra manerana ny Nosy, ankehitriny. Hentitra ireo mpanara-maso, hiparitaka hitety tsena. Azo antsoina ny laharana maitso 961 handraisana ny fitarainana, raha misy tranga mampiahiahy. Miverina tsikelikely ny sidina ataon’ny kaompania Madagascar Airlines […]
Famonjena ny traboina : Hetsehina ny Fandaharanasa Repair
Nivory maika, omaly hariva, ny komity teknika sy ny komity mpitantana ny tetikasa Repair, tarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Lohahevitra nodinihina ny fanapahan-kevitra horaisina momba ireo hetsika vonjy taitra entina miatrika ireo voina noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani. Famatsiam-bola avy amin’ny […]




