Toe-karena

Foire Internationale de l’Agriculture (FIA): hasongadina manokana ny vokatry ny tanora

Hanasongadinana ny fanamby ho amin’ny fampivoarana ny famokarana sy ny toekarena ny Tsenabe iraisam-pire­nena ho an’ny Famokarana (FIA) andiany fahenina. Hojerena manokana ny fandraharahan’ireo tanora sy ny vokatra entiny. Laharam-pahamehana mandritra ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ ny Famokarana (FIA), andiany fahenina, eny amin’ny Parcs des Expos Forello Tanjom­bato, ny tanora […]

VAOVAO TAMBATRA

Manampy an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny lalana i Japana. Anisan’ny fotodrafitrasa lehibe namboariny tamin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica), ny tetezan’i Mangoro sy Antsapazana any amin’ny lalam-pirenena faharoa RN2. Manohana koa ny Jica amin’ny fandrafetana paikady hikojakojana ny lalana mba haharitra. Miara-mientana amin’ny sehatra tsy miankina ny fitantanana foibe ny hetra […]

Andekaleka : tanjaka 60 MW amin’ny 125 MW sisa no azo

Tsy mitsaha-midina ny haavon’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka, ma­mo­katra herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA). Mitatitra ny Jirama, fa zara raha mahazo 29 na 30 m3 isaky ny segondra ny tosiky ny rano avy any amin’ny tohodrano, raha tokony ho 48 m3/segondra. Milina roa amin’ireo efatra misy any an-toerana sisa […]

Toekarena manga : fanoitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga. Manana harena an-dranomasina azo trandrahana sy hametrahana ireo vinam-pampandrosoana samihafa ny Nosy malagasy. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara sy aty Afrika ny toekarena manga noho izy misandrahaka amina sehatra maro. Nisongadina manokana nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisy ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra eto amintsika, iarahana amin’i Indonezia. Hatao amin’ny taona 2025 ny fandinihana sy ny fikarohana ary hanomboka ny 2026 ny fanatanterahana azy. Manohana ny tetikasa ny Fiaraha-miasa alemà, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasan’ny telo tonta, firenena samy tatsimo sy Alemaina (SSTC). Vita sonia ny 3 septambra teo […]