Toe-karena

CEO Summit 2 : Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indiana

Hatao ny 9 sy 10 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fihaonambe ara-toekarena CEO Summit, karakarain’ny Becom sy ny Sen­dikan’ny indostria eto Mada­gasikara (Sim). Lohahevitra noraisina ny hoe, « foto-kevitra vaovao, vina vaovao, sahia mikaroka zava-baovao ho an’ny hoavy ». Fotoana hihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena samihafa, ahitana mpitarika, […]

Fifamoivoizana: Taksiborosy 52 sy fiara hafa nosavaina

Hentitra ny fampiharana «tsy misy loza mihitsy na iray aza»! Nidina tany amin’ny la­lam-pirenena RN43 (Analavory -Ampefy-Soavinandriana) sy ny RN1 (Analavory-Tsiroano­mandidy) ny Fitantanam-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (DRTM) Itasy, ny 1 avrily teo. Nanotrona azy ireo ny mpitandro filaminana, Zan­darimariam-pirenena sy ny Poli­sim-pirenena. Antony, anisan’ny tena be […]

Fianarantsoa: Miisa 25 000 ny tantsaha tohanan’ny Folur

Hifantoka amin’ny fametrahana rafitra ara-tsakafo maharitra sy ny fanarenana ny endritany ary ny fanarenana ny rohivoahary ny tetikasa Folur Madagasikara. Any Fianarantsoa, ahitana an’ Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, ny faritra iasany. Mamatsy vola ny tetikasa ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem7), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : Vonona handraharaha eto amintsika ny tonizianina

Tonga eto Madagasikara, nanomboka ny 31 marsa teo, ny delegasionina tonizianina mpandraharaha hijery fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “mission économique” atao hatramin’ny 04 avrily, izay tarihin’ny Tunisia Africa Business Council (TABC). Tanjona ny hanamafy ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta sy hanatanteraka ho tetikasa ireo finiavana ho […]

Fanavaozana vola: Eo am-pamakafakana ny safidy ny BFM

Manohy ny fifampidinihana amin’ny vahoaka momba ny fanavaozana ny vola Ariary ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy ny fihaonana natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny talata teo, taorian’ilay efa natao teny amin’ny Oni­versiten’An­ta­nanarivo, ny 23 marsa. Tanjona ny hanangona ny hevitry ny mpampiasa vola mba handrafetana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny […]