Hitondra tombontsoa betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy hipaka mivantana amin’ny tanora ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondron’ny tanora Panafricaine ho an’ny toekarena manga (OPJEB) . Vita sonia ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny toekarena manga (JNEB) andiany faharoa, tany Toamasina, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hohatsaraina sady hitarina miakandrefana hatreny Ivato ny arabe « Rocade Iarivo ». tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, amin’ny aogositra 2025, izay hatao eto Antananarivo. Nijery ifotony teny amin’ny lalana Tsarasaotra hatrany Ivato ny tompon’andraikitra voakasika avy amin’ny minisitera dimy, omaly. Hamafisina ny fiaraovana ara-toekarena eny amin’ny […]
Salon de l’Agronomie 2024 : hampahafantatra ny tontolon’ny famokarana
Hotanterahana ny 17-20 septambra ny « Salon de l’Agronomie » andiany voalohany eny amin’ny Sekoly ambony momba ny haifamokarana sy ny Zavaboahary (ESSA), ny Oniversiten’Antananarivo. Hampahafantatra ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro samihafa ao anatin’ny tontolon’ny Agronomie ny hetsika. « Tanjona ny hampahafantatra ny rehetra fa miantoka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanjarian-tsakafo […]
JNEB andiany faharoa : manana tombony ny faritra Atsinanana
Mahafeno ny fepetra amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga i Toamasina, noho izy manana ny ranomasimbe Indianina sy ny lakandranon’i Pangalana mirefy 647km. Tombony ho an’ny faritra Atsinanana ny fananany ny seranan-tsambo lehibe indrindra izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampidi-bola sy mamelona tokantrano maro ihany koa […]
« Salon de l’auto » 2024 : Zava-baovao ny fiara mandeha amin’ny herinaratra
Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao ny hetsika « Salon de l’auto 2024 ». Hiavaka amin’ity andiany faha-14 ity ny fisian’ireo fiara elektrika, izany hoe, mandeha amin’ny herinaratra, manaja ny tontolo iainana. Mikarakara ny hetsika eny amin’ny CCI Ivato ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Madagasikara (GCAM). Nasongadin’ny filohany, […]