Manome tolotra manokana ny StarTimes amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Misy ny fihenam-bidy omeny ny mpanjifa. Nohazavain-dRamatoa Florence Zhu, tale ara-barotry ny StarTimes, fa tsotra, haingana ary ahazoana tombontsoa maro, mifanandrify arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tolotra omena. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa karazana fandaharana maro samihafa. Misy karazany telo […]
Toe-karena
Fanjifana : Dinika ho an’ny tombontsoan’ny mpamokatra eto an-toerana
Manao antso avo momba ny tsindry ataon’ireo mpanafatr’entana ny indostria malagasy. Efa mihoatra ny 4 000 taonina ny vokatra sakafo sy fantsona plastika nafaran’i Madagasikara ny taona 2024. Nafana ny adihevitra teo amin’ireo mpisehatra, nandritra ny dinika, manoloana ny fitobahan’ny vokatra afarana eto amintsika. Fihaonana nokarakarain’ny biraon’ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Manana minisitera mitokana ny Fiompiana. Io no anisan’ny nampiavaka ny mpikambana ao anatin’ity governemanta vaovao ity. Tsiahivina anefa, fa nitaky ny hametrahana fitantanana jeneraly mahaleo tena ireo mpiasan’ny Fiompiana, saingy nolavin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha. Nivaly ny fitakian’ireo mpiasa, ka izao manana minisitera mitokana izao. Nisy […]
Tetikasa Irema: 14 tapitrisa dolara hanarenana ny rohivoahary
Tetikasa lehibe ny Fanamafisana ny fampiasam-bola hanarenana ny rohivoahary eto Madagasikara (Irema). Faritra dimy (Diana, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Vatovavy, Sofia) no voakasika, mitotaly 60 500 ha, ao anatin’ ny Faritra arovana Montagne d’Ambre, Tandavanala Ankeniheny Zahamena (CAZ), Tandavanala Cofav, Faritra Arovana Mahimborondro sy Bemanevika. Mitentina 14 tapitrisa dolara ny tetikasa […]
Toekarena manga: Fototry ny fampandrosoana ny firenena
Vaindohan-draharahan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, vaovao, i Maharavo Jean, ny hampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga. Vonona hiara-miasa akaiky amin’ireo ekipa mpiara-dia aminy izy hanatrarana ny vina apetrany, raha ny nambarany nandritra ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Chan Kit Waye Jacob, teny […]





