Toe-karena

Dingadingana : Nohavaozina ny fitrandrahana

Nohavaozina ny fitrandrahana dingadingana sy drakaka mba hiantohana ny fitantanana taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena manga sy ireo mpisehatra. Voafaritra tao anatin’izay fa « mikatona ny taom-panjonoana manomboka ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 marsa. Nofaritana ihany koa ny haben’ireo hazandrano azo jonoina ireo. Rarana ny fampiasana ny bouteille de plongée  ary […]

Fitaterana : Tsy maintsy ampandehanina ny sokajin-jotra rehetra

Nampihetsika avy hatrany ny drafitra vonjy taitrany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Mila haverina amin’ny laoniny haingana ny zotram-pitaterana rehetra. Notombanana ara-teknika ny zavatra simban’ny rivodoza Gezani. Notarihin’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mic­haël sy ny minisitra MTM, Raharisone Juste […]

VAOVAO TAMBATRA

Entanin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tsy hanararaotra ny fahavoazana, hampiakarana ny vidin’entana, ny mpivarotra sy ny mpandraraha rehetra manerana ny Nosy, ankehitriny. Hentitra ireo mpanara-maso, hiparitaka hitety tsena. Azo antsoina ny laharana maitso 961 handraisana ny fitarainana, raha misy tranga mampiahiahy. Miverina tsikelikely ny sidina ataon’ny kaompania Madagascar Airlines […]

Famonjena ny traboina : Hetsehina ny Fandaharanasa Repair

Nivory maika, omaly hariva, ny komity teknika sy ny komity mpitantana ny tetikasa Repair, tarihin’ny minisitry ny Toekare­na sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Lohahevitra nodinihina ny fanapahan-kevitra horaisina mom­ba ireo hetsika vonjy taitra entina miatrika ireo voina noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani. Famatsiam-bola avy amin’ny […]

Brio Connect-Yas : Tohanana amin’ny niomerika ny orinasa

Nivoaka ny gazety boky niomerika Brio Connect. Hisy hetsika fampahafantarana azy sady fihaonana mivantana ho an’ny samy mpandraharaha (B2B) atao anio sy rahampitso, eny amin’ny CCI Ivato. Hisy ny fifankafantarana, ny fifampiraharahana « Net Working » ho an’ny samy mpandraharaha. Tanjona ny hisian’ny fifanakalozana ara-barotra. Eo koa ny famelabelaran-kevitra miankina amin’ny lohahevitra […]