Manohana ny fitantanana maharitra ny faritra arovana an-dranomasina tantanin’ny mponina eny ifotony (LMMA) ny Tahirim-bola maneran-tany ho an’ny tontolo mananaina (GBFF). Mitentina 5,29 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem) ho an’i Madagasikara. Manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra […]
Toe-karena
« Antson’ny tontolo miaina »: noravahina manokana ny seranam-piaramanidina Ivato
Noravahina sary hosodoko karazan-kazo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Ravinala Airports sy ny malagasy mpanakanto sangany miisa roa. Nanomboka ny taona 2023 ny hetsika « Antson’ ny tontolo miaina ». Amin’ity andiany fahatelo ity, lohahevitra noraisina ny hoe « Dendrophile », anehoana ny fankafizana ny hazo sy ny ala. Noravahina manokana, […]
Nosy Be: vahiny iray nahatrarana zava-mahadomelina 8,5 kg
Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral. Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana […]
Maro ny lesoka mila harenina: 25 % ny harin-karena no entin’ny fambolena
Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Madagasikara ka mila fanarenana. […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanatsara ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna, ny kalitaon’ny vokatra ary ny tontolon’ny indostria ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny inspektera indostrialy. Napetraka ny paikady sy ny fomba fiasa vaovao hijerena ny traikefa avy any ivelany entina hanatsarana ny asa eto an-toerana. Hojerena ny fametrahana ny «corps des inspecteurs industriels» hanohizana ny asa vita […]




