Feno 60 taona ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) izay niforona ny taona 1964. Niditra ho mpikambana ao anatiny i Madagasikara nanomboka ny taona 1976 ka ny fanamboarana ny lalana tao Bealanana no tetikasa voalohany notohanan’ity banky ity. Tao anatin’ny 48 taona, miisa 155 ny tetikasa notohanana sy notanterahin’ […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hapetraka any amin’ny valanjavaboaharin’i Berenty, faritra Androy, ireo sokatra tratra tany Kaomoro sy Thailandy. Afaka hikarakarana tsara azy ireo ity toerana ity, izay tantanin’ny fikambanana iraisam-pirenena Turtle Survival Alliance (TSA). Ho vatsian’ny banky koreana Eximbank vola, ny fanamboaran-dalana RN1bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy i Maintirano. Eo koa ny famahana ny […]
Angovo azo havaozina : ampitomboina ny toby avy amin’ny tohodrano
Mamatsy vola ny tetikasa amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara ny banky koreana, Eximbank. Anisan’izany ny famatsiam-bola hananganana tohodrano mamokatra herinaratra any Antetezambato Ambatofinandrahana, manana tanjaka 60MW, hanampy ny 140 MW. Hanampiana ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria) izany. Eo koa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa, ny zotra mampita herinaratra vokarin’ity […]
Toliara I sy II: manameloka ireo mpanohitra tetikasam-pampandrosoana ireo olobe
Nanao fanambarana ny olobe any amin’ny distrika Toliara I sy II, omaly. Toherin’izy ireo ny mpanohitra ny tetikasa mitondra fampandrosoana ho an’i Toliara. Nisy andian’olona vitsy nanao fihetsiketsehana, tsy mankasitraka ny hisian’ny fivoarana any Toliara, fotoana vitsy lasa izay. Toherin’izy ireo ny tetikasa tokony hampandroso ny any an-toerana, na dia […]
Karazan-javamananaina :ampitoviana ny fomba fijery amin’ny fikajiana azy
Hampitoviana ny fomba hanatrarana ny tanjona fahatelo voaraikitry ny Lasitra maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, antsoina hoe 30×30. Satria tsy afa-misaraka ny fampandrosoana, ny fanomezan-danja ny maha olombelona ary ny fikajiana ny karazan-javamananaina. Voafaritra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fifahasamihafan’ny zavamananaina (CDB) natao tany Rio Brezila, ny taona 1992, izay nankatoavin’i […]