Toe-karena

Madagasikara Organica: Fambolena biolojika manatsara ny nofon-tany

Orinasa iraisam-pirenena anisan’ny nisantatra sy nampiasa ny teknolojiam-pambolena biolojika ny World Or­ganic Group. Teknika mana­tsara ny halonaky ny nofon-tany, tsy mampiasa zezika simika izay miantraika amin’ny tontolo iainana. Mihena ny fahalotoan’ny nofon-tany sy ny sosona mitahiry rano any ambanin’ny tany (nappes phréatiques). Izay no antony nananganan’ny World Orga­nic Group ny […]

Mission économique Madagascar: Kihondalan’ny mpandraharaha malagasy sy tonizianina

Hotanterahina eto Antananarivo ny 04-06 febroary ny « mission économique », hetsika karakarain’ny antenimieran’ny varotra sy indostria Tonizia-Madagasikara (CCTM). Tetezana hampifandray ireo mpandraharaha tonizianina sy Malagasy ity hetsika ara-toekarena ity. Lohahevitra amin’ity an­diany voalohany ity ny hoe «Madagascar, terre d’opportunités», izay miompana manokana amin’ny fampandrosoana, fampiasam-bola ary fiaraha-miasa maharitra. «Tanjona […]

VAOVAO TAMBATRA

Natao omaly sy anio, ny Fakan-kevitra nasio­naly mahakasika ny fizahantany. Fotoana nijerena ny tontolon’ny fizahatany eto Madagasikara ho an’ny ho avy. Nojerena daholo ny lafiny amin’ny antsipiriany, toy ny ho an’ny mpandraharaha, ny rafitra sy ny lalàna, fandriampahalemana, ny fotodrafitrasa sy fifamoivoizana, sns. Anisan’ny navoitran’ny minisitra Vololoniaina Lucie, fa zava-dehibe […]

Fisitrahana internet : Maimaimpoana ny eny amin’ny Oniversite

Vita sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny minisiteran’ny Fa­m­piroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (M­N­­DPT) sy ny Yas Mada­gascar ho fametrahana ny Wifi sy Hotspots eny anivon’ireo Oni­versite eto Madagasikara. Fandaharanasa izay toha­nan’ny Axian Telecom. « Atom­­boka amin’ny volana janoary 2026 ny tetikasa ary hisan­tarana […]