Toe-karena

Fim 2026 : Sehatra ifanakalozan’­ ny mpandraharaha

Ambohi-pihaonan’ny orinasa sy ny mpandraharaha marolafy ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (Fim), hetsika karakarain’ny MadaVision. Vovonana ahafahan’ireo orinasa mampiseho ny maha izy azy sy hampahafantarany ny tolotra sy ny vokatra ataon’ny Fim. Omaly, nifanakalo hevitra tetsy Antanimena, ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ny hetsika. Fotoana iray nitondrany ny hetahetany sy […]

Banky Foiben’i Madagasikara : Voatazona ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra

Mitazona ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur) ho 12% ny Banky foiben’i Madagasikara, araka ny tapaky ny Kaomity misahana ny politika ara-bola. Fepetra izay heverina ho mifanaraka amin’ny tanjona fitoniana eo amin’ny vidim-piainana sy hanamafisana ny toekarena. Nivoitra tao anatin’ny fam­­pahafantarana na­taon’ ny BFM, afakomaly, fa nihena ny vidim-piainana eto […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitsahatra avokoa ny fanampiana ara-tsakafo ho an’i Madagasikara ho an’ity taona ity. Hanano­sa­rotra ny famatsiana ny tokantrano marefo, indrindra ireo traboina noho ny loza voajanahary. Miantso fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana ny sehatra tsy miankiana hanampiana ny mpiray tanindrazana sy hanohanana ny orinasa malagasy. Voatazona ho 12% ny “taux directeur”, […]

Mecc 2026 : Manampy hitrandraka ny tsena kanadianina

Antoka hampivoarana ny fandraharahana ny fitrandrahana ny tsena any ivelany. Antony mahatonga ny Mission économique commerciale au Canada (Mecc) andiany fahafito, karakarain’ny Antenimi­eran’ny varotra sy indostria Kanada-Madagasikara (Cancham), mitondra ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena kanadianina. Araka izany, soa fanararaotra ho an’ny mpamokatra ny Mecc. Mbola malalaka sy azo trandrahina […]

Harena an-kibon’ny tany : Maherin’ny 3 000 ny fanga­tahana fahazoan-dalana

Nampahafantarin’ny Biraon’ny kadasitra momba ny harena an-kibon’ny tany (BCMM), ny alatsinainy 2 febroary teo, fa misokatra ankehitriny ny fikirakirana sy ny fandinihana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Maherin’ny 3 000 ny fahazoan-dalana efa nanao fangatahana, voarakitry ny BCMM nanomboka ny taona 2009, fotoana nampihantonana azy hatramin’izao. Misy amin’ireo […]