Ampy tsara ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Be mpampiasa indrindra eto amintsika ny lelavola 20 000 Ar. Tsy nampoizina! Sahirana ny rehetra tamin’ny fotoana namoahana voalohany ny lelavola tokana, 20 000 Ar, tamin’ny taona 2017. Sivy taona aty aoriana, nilaza ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), Andrianarivelo […]
Toe-karena
Faritra Atsinanana: Zana-kazo 22 500 novolena
Natomboka ny 30 janoary teo ny taom-pambolen-kazo 2026 ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ampangadiampasika, fokontany Hoavimamiratra, kaominina Savalaina, distrika Brickaville, no nanatanterahana izany. Miisa 22 500 ny zana-kazo (Hintsimbazaha, Tsitoavina ary Kongina) nambolena tamina velaran-tany 15 ha. Nanohana sady mpiara-miombon’antoka amin’ ny fitanatam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsinanana ny orinasa tsy […]
VAOVAO TAMBATRA
Nentanina hiditra amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika misehatra amin’ny volamena any amin’ny fokontany sady kaominina Satrokala, distrika Ihosy, ny sabotsy 31 janoary teo. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny dingana arahina amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nohamafisin’ny talem-paritra, fa tsy misy fitrandrahana azo atao raha […]
Tolotra Rapide App : Hanamora ny fitaterana eto an-dRenivohitra
Mivoatra hatrany ny tolotra omen’ny Yas Madagascar ny mpanjifa. Anisan’izany ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ izy ireo sy ny Rapide App, hanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny fampiasana ny Yas&Moi. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezena amin’ny andavanandro sy hanolorana vahaolana haingana sy azo itokisana ho an’ny sehatry ny fitaterana. […]
EDBM : Voatendry ho PCA Rabarisoa Andrianaina
Vita Sonia omaly ny famindram-pitantanana eo amin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny (PCA) Economic Development Board of Madagascar, vaovao, Rabarisoa Andrianaina sy ny PCA teo aloha, Randriamandranto Joël. Mpitsara sady manana traikefa mihoatra ny 20 taona ity tompon’ andraikitra vaovao ity ary efa nisahana ny fifidianana tamin’ ny taona 2013 tamin’ny maha mpikambana […]




