Napetraka ao amin’ny fokontany Ambodimanga, kaominina Ambodilazana, distrikan’i Toamasina II, ny zoma teo, ny vato fehizoro hanombohana ny tetikasa Volobe. Toerana hananganana sy hametrahana ireo fotodrafitrasa hanatanterahina ny tetikasa. Nitarika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, sy ny tale jeneralin’ny CGHV, Remy Huber. Marihina fa hananganana […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Handray anjara amin’ny fihaonana antampony momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy Afrika (Focac) atao any Beijing, ny 4-6 septambra, i Madagasikara. Lohahevitra ny hoe « Miara-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fanavaozana sy fananganana vondrona Chine-Afrika avo lenta ho an’ny hoavy iombonana ». Laharaham-pahamehan’ny fanjakana ny “Medium Ring Tana”. Tetikasa hananganana zotra fitaterana […]
Fifanakalozana ara-barotra: hitohy 10 taona manaraka ny Agoa
Tsara ny vokatra. Resy lahatra ny hanohizana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra African Growth and Opportunity Act (Agoa) ny kongresy amerikana, nandritra ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington DC. Andrasana ny fotoana hanavaozana ny lalàna amerikana momba ny fifanakalozam-barotra ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra, amin’ity taona ity. […]
Tsena iraisam-pirenena: hanondrana vary isika amin’ ny taona 2027
Mikasa hanondrana vary mainty sy mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara manomboka ny taona 2027 rehefa tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny fampiroboroboana ny vary, SNDR3, ny tetikasa fanondranam-bary ataon’i Madagasikara ny taona 2027 raha vao tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Maharitra taona maro ny fanomanana ny […]
Lalam-pirenena RN7: arahi-maso ny orinasa manarina ny lalana
Nijery ifotony tany Ambositra ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 3 aogositra teo. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny fotodrafitrasa (Dinfra) ao amin’ny minisitera foibe, niaraka tamin’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania. Nojerena ny fivoaran’ny asa efa mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito, RN7, eo amin’ny halaviran-dalana, PK 258, eo […]