Miteraka resaka eo amin’ny diaspora malagasy monina atsy amin’ny Nosy Mayotte sy ny fitondram-panjakana ny momba ireo vata mpanova herinaratra, “transformateurs”, natokana ho an’ny faritra Boeny. Fitaovana izay nomena ho fanomezana tamin’ny taona 2022 hiadiana amin’ny delestazy, saingy nalefa eto Antananarivo ny ampahan’ireo fitaovana ka niteraka ahiahy sy fitarainana. Miisa […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hihatra manomboka amin’ity volana janoary ity ny fampakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hisy kosa ny fanambarana ny fampakarana “rappel” raha toa ka mbola tsy mihatra amin’ireo karama sasany izany. Mety handeha tsikelikely ihany koa ny fampakarana arakaraka ny minisitera. Miakatra avokoa ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Mitaraina […]
Kly Randrianirina Michaël: «Mandresy lahatra ny vahiny handraharaha aty Madagasikara»
Vonona hiara-miasa amin’ireo mpampiasa vola samihafa i Madagasikira satria manana ireo loharanon-karena stratejika mahasarika ireo mpampiasa vola. Vina napetraky ny fitondram-panjakana ny hialana amin’ny fampiasana solika mavesatra izay lafo sy mandoto ny tontolo iainana. Tanjona ny hampiasana ny angovo azo havaozina ho andry stratejika hampandrosoana ny toekarena. Tao anatin’ny lahateniny, […]
Vakinankaratra : Maro ny fotodrafitrasa vita
Maro sahady ny fiovana amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra Vakinankaratra tao anatin’izay roa volana nitantanan’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina izay. Nataony laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Miisa 12 ny Fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) notsidihin’ny teknisian’ny Fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Vakinankaratra. Mirefy 398 km ny […]
Olan’ny famatsiana jiro sy rano: Nosoloina miaramila i Ron Weiss
Nesorin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama tsy ho tale jeneraly intsony i Ron Weiss. Nosoloina ny jeneraly Rasolofomanana Hajatiana izy. Vita omaly ny fifamindram-pitantanana. Nahazo tale jeneraly vaovao, noho izany, ny orinasa Jirama, araka ny tapaky ny filankevi-pitantanana. Injeniera ny harena an-kibon’ny tany nianatra tao amin’ny Sekoly ambony Politeknika, ny Jly Rasolomanana Hajatiana. […]




