Toe-karena

Fanampiana ny tantsaha : Vary 50 taonina novidian’ny SPM

Manohana ny tantsaha mpamokatra ny fanjakana, hitondrana vahaolana fohy ezaka momba ny sehatry ny vary. Tonga tao Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nifanakalo hevitra tamin’ireo tantsaha. Toy ny ao Imerintsiatosika sy Amparafaravola, tapaka fa vidian’ny orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM) […]

Fiompiana : Hanafatra ombivavy beronono 30 000 isa

Hifantoka manokana amin’ny sehatry ny fiompiana ny Drafitra fampiasam-bola ho an’ny fiompiana ho fanavaozana maharitra (PDSEM). Vina lavitr’ezaka, hanatsarana ny taranaky ny biby, ny fahasalamana, ny tsenam-barotra, sns. Miditra amin’ny fanavaozana lehibe ihany koa ny sehatry ny fiompiana amin’ny alalan’ny fandaharanasa PDSEM. Nasongadin’ ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, […]

VAOVAO TAMBATRA

Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny fambolena. Mandrafitra ny 30% ny harinkarena izy, 40% ny sehatry ny fanondranana ary mampiasa ny 70% ny Malagasy. Na izany aza, antsakasaky ny karaman’ny ankamaroan’ny tokantrano ny vola azo avy amin’ny sehatra. Ity farany izay mbola antoky ny fidiram-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano, izay mbola miaina ao […]

Fandaharanasa Creskèr : Tohana ho an’ny fampivoarana ny fandraharahana

Tonga eto Madagasikara ny Creskèr hanampy ireo mpandraharaha hampivelatra sy hampiroborobo ny orinasany amin’ny alalan’ny fandaharanasam-panofanana. Tanjo­na ny hanohanana ireo mpandraharaha manana andraikitra stratejika amin’ny fampivoarana ny orinasa hahafahany mandinika sy miatrika ny zava-misy sy ha­namafisana ny fahaiza-manaony amin’ny andraikitra sahaniny. Tetikasa izay nampahafantarina tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny alakamisy […]

Banky AFG sy NIM: Fiaraha-miasa manakaiky ny mpanjifa

Sambany! Voalohany eto Madagasikara no nisian’ny fiaraha-miombon’antoky ny samy mpisehatra amin’ny tontolo ara-bola. Nampahafantarina omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky AFG sy ny Ivontoerana sampandraharaha ara-bola madinika vaovao (NIM). Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny NIM, Harizaka Rakoto, fa zava-baovao tokoa ity fiaraha-miasa ity. Mifameno ireo, koa, azo atao ny mikirakira vola […]