Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy RN 5A. Fotoana tena ilain’ny mpampiasa lalana izany, indrindra amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Vita tanteraka ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Misokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny sabotsy 27 jolay teo. Voarakotra […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hanomboka ny tetikasa fananganana tohodrano mamokatra herinaratra any Volobe (CGHV) Toamasina. Eo am-pananganana ny biraon’ny orinasa CGHV hanao ny tetikasa ny any an-toerana, hiandraiketan’ny orinasa EGC mazava. Nanomboka ny 18 jolay teo ny asa, ary haharitra 105 andro, ho vita amin’ny 30 oktobra 2024. Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-46 nataon’ny […]
Toekarena manga : Jerena ny fitrandrahana ambany ranomasina
Natao tany Kingston Jamaïque ny fanomanana ny fivoriamben’ny « International Seabed Authority » (Isa) mahakasika ny fitrandrahana metaly sarobidy ao ambany ranomasina (Deep Sea Mining), ivelan’ny fari-dranomasina manokana (ZEE). Ahitana betsaka ireo karazana metaly ireo toy ny kobalta, Manganèse, Cuivre ny ranomasimbe Pasifika (Clipper Clipperton Zone) sy Indiana. Anisan’ireo nandray anjara […]
Toamasina : hitokona ny mpiasan’ ny seranan-tsambo
Mandrahona hampiato ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo mpiasa avy ao amin’ny orinasa tsy miankina manao izany. Nilaza izy ireo fa misy halatra sy fitaka ny fandraisan-karama. Maherin’ny 50 000Ar ny vola alana amin’ny karaman’ireto mpiasa, nanomboka ny volana avrily, saingy tsy voaresaka tao anatin’ny fifanarahana arakasa izany. Ankoatra izay, […]
Fikojakojana lalana : mandroso paikady ho an’ny teknisianina malagasy ny Jica
Manome fiofanana momba ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana ry zareo Japonais. Nisy ny fiofanan’ny Malagasy teknisiana tany Japon. Manohana an’i Madagasikara amin’ny hametrahana rafitra sy paikady maharitra hikojakojana ny lalana sy ny tetezana ny Fiarahamiasa japonais ho an’ny fampandrosoana (Jica). Voarakitra ao anatin’ny Tetikasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana amin’ny […]