Tsy misy ahina fa ampy sy ara-kalitao ny vary ao amin’ny tsenan’i Toliara. Tonga nanao fitsirihana, omaly, teny amin’ ireo mpivarotra ambongadiny sy mpaninjara any an-toerana ireo tomponandraikitra ho fiahiana ny mpanjifa. Niara-dalana nanao ny fidinana ifotony ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) notarihin’ny Talem-paritra […]
Toe-karena
Fifanakalozana ara-barotra : miandrandra hanohizana ny Agoa i Afrika
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny firenena aty Afrika ny hanohizana ny lalàn’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) ho an’ny 10 taona manaraka. Nandresy lahatra hanatanterahina izany ireo mpisitraka nandritra ny Forum Agoa tany Washington. Notanterahina ny 24-26 jolay, tany Washington DC ny fivoriambe (Forum) ara-barotra faha-21 […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahana mandritra ny roa andro ao amin’ ny Hôtel 2 Février any Lomé Togo ny fivoriambe voalohany ny tanora afrikanina momba ny toekarena manga. Horesahina mandritra izany ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananana asa ary ny fahantrana. Fantatra fa manana sisin-dranomasina 42 000 km i Afrika izay ahitana firenena 54. Feno […]
Fizahantany : nahatratra 1 828 ny mpitsidika an’Isalo
Anisan’ny toerana tena be mpitsidika ny valanjavaboaharin’Isalo, faritra Ihorombe. Manana tontolo voahary miavaka tsy fahita raha tsy any an-toerana. Tsy mitsaha-mitombo ny mpizahantany tonga any Isalo, izay niakatra 9% tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny 2023. Nahatratra 1 828 ny mpitsidika nanomboka ny janoary hatramin’ny jona 2024, raha 1 […]
Kimony Morondava : velaran-tany 6 ha nambolena honko
Nankalazaina ny 25 jolay teo, tany amin’ny ala Kimony Morondava, ny Andro iraisam-pirenena ho firaovana ny rohivoahary ala honko. Tanjona, ny hanarenana velaran-tany 6 ha, iarahana amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI), miisa 130 any amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Nitarika ny fotoana ny governoran’ny faritra Menabe sy Melaky, notronin’ny tomponandraikitry […]