Toe-karena

Tetikasa CGHV : Notokanana ny baka vaovao Volobe Amont

Nanolotra fitaovam-pitaterana tena ilain’ny daholobe ny orinasa CGHV, misahana ny fananganana tohodrano le­hibe, mamokatra herinaratra any Volobe, Toamasina II. Notokanana ny 13 desambra teo, tany Andringaringa, kaominina Fanandrana, distrika Toamasina II, ny baka vaovao Volobe Amont (TMF25118). Zava-dehibe ity dingana ity amin’ny fanatsarana ny five­zivezen’ny mponina sy ny mpandraharaha manodidina. […]

Fampandrosoana : 6,7% ny tahan’ny tsy fana­nana asa eto amintsika

Ambany ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. « Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna sy amin’ny tsy ara-drariny ny ankamaroan’ny mponina ary sarona ao anatin’izany ny tahan’ny tsy fananana asa ». Io ny nambaran’ny tale jenera­lin’ny fampiroboroboana ny fampananasa, ao amin’ny mini­siteran’ny Asa, ny fampananasa ary ny asam-panjakana (MTFO), Ange Simonia, nandritra ny […]

Voka-pikarohana siantifika : Manan-danja amin’ny fitrandrana ny tontolo iainana

Ilaina ny manaraka ny voka-pikarohana siantifika amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary mba hiantohana ny famokarana ara-drariny sy manaja tontolo iainana. Miantoka ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny tontolo iainana, noho izy mpamatsy ny akora samihafa hotrandrahina. Nivoitra izany nandritra ny fikaonandohan’ny mpikaroka, « Colloque scientifique de l’école doctorale […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamoraina ny fanohanana ny mpandraharaha, Vovonana natokana ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Tan­jo­na ny hananganana sehatra tsy miankina matanjaka sy mifaninana ka hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Marihina fa fototra iankinan’ny toekarena ny PME izay mandrafitra ny 90% ny orinasa eto amin’ny firenena sy manome asa maherin’ny 60%. Mahatratra […]