Hatao ny 12,13 ary 15 septambra ho avy izao ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA 2024), andiany fahenina, ao anatin’ny vondrona orinasa Hazovato eny amin’ny Zone Forello Tanjombato. Miaraka mikarakara azy ny orinasa Forello Expo sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Natao, […]
Toe-karena
Madagascar Airlines: mitombo efatra ireo fiaramanidina miasa
Tafaverina miasa ny fiaramanidina iray an’ny kaompania Madagascar Airlines rehefa nandalo fanamboarana. Mitotaly efatra ankehitriny ny fiaramanidina am-perinasa. Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana « Phénix 2030 » ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny fiaramanidina hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Tafaverina miasa ankehitriny ny fiaramanidina MSN 813 rehefa nandalo […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 72 miliara Ar ny trosan’ny fanjakana amin’ny mpaninjara solika ho an’ity taona 2024 ity. Manodidina ny 39 miliara Ar ny tavela tamin’ny taon-dasa. Misy ny fifanarahan’ny roa tonta handoavan’ny andaniny sy ny ankilany avy ny trosany sy ny hetrany taorian’ny tsindry nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Maherin’ny 50 000 ny isan’ny […]
Fotodrafitrasa : tafakatra 20 tapitrisa Ar ny fanorenana trano
Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisa maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. “Mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa Ar ny tetibola ho an’ny fanangana trano manana efitra telo sahaza an’olona efatra mianaka. Manana velarana 10-12m2 kosa ny efitra tsirairay. Tsy ao anatin’izay […]
Sambo kenyanina Maab Aqua : mitaky fanasaziana henjana ny fiarahamonim-pirenena
Onitra 5,4 miliara Ar no miandry ireo mpanjono tsy ara-dalàna kenyanina sy srilankey tratra tany Nosy Be, miampy fampidirana am-ponja. Manara-maso akaiky ny raharaha ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Tratra nanjono tsy ara-dalàna tany amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara any avaratr’i Nosy Be, ny sambo kenyanina Maab Aqua, ny 8 […]