Toe-karena

Famatsian-drano: Kojakojaina ny milina eny Mandroseza

Atao anio 23 oktobra ny asa fikojakojana ny milina «décanteur Pulsator 1» eny amin’ny toby famatsian-drano Mandroseza I. Tsy maintsy atao izany, hampaharitra ny fotodrafitrasa, miantoka ny fenitra amin’ny fanadiovan-drano ary indrindra ahafahana mampitombo ny famatsiana eto Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 8 ny fanatanterahana ny asa. Mano­loana izany, […]

Kaominina Antetezambaro : Notolorana zana-trondro tilapia 8 000 isa

Notoloran’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsi­nanana zana-trondro Tilapia miisa 8 000 isa ny tao amin’ny kaominina Ambanivohitra An­tetezambaro, distrikan’i Toa­masina II, faritra Atsinanana, ny 20 oktobra 2025 lasa teo. Narotsaka tao amin’ny Lakandranon’i Pangalana Avaratra ny 6 000 isa, raha toa ka tany amin’ny fari­hin’ Ifontsy […]

Parabole Madagascar : Hikatona vonjimaika fa tsy ho foana

Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny Orinasa Parabole Madagascar, omaly, fa hikatona vonjimaika izy ireo ny 31 oktobra ho avy izao. Tsy midika ho fanafoanana ny orinasa izany fa fandinihana ny lafiny arakasa mifanaraka amin’ny teknolojia misy ankehitriny. Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny, facebook, ny orinasa Para­bole Madagascar, omaly. Nilaza izy […]

Fadintseranana Malagasy: Misy ny tanjona ara-tontolo iainana

Miditra an-tsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fadintseranana malagasy. Voarakitra ao amin’ny Tanjona stratejika faha-8, ao anatin’ny Drafitra stratejika vaovao ho an’ny 5 taona manaraka (2025-2029) izany. Voafaritra ao ny fanamafisana ny fanaraha-maso amin’ny fanondranana antsokosoko ireo zavamananaina arovana sy ny vokatra manimba ny tontolo iainana. Eo koa ny […]