Namoaka fanambarana nentina hamaliana ny orinasa Ravinala Airports indray ny Orinasa Adema, omaly. Misongadina amin’izany ny fitakiana tsy misy hatak’andro ny vola rehetra tokony ho azon’ ny Adema, nanomboka ny taona 2020. Ny fanafoanana ny resaka kolikoly. Miantso ny fitondram-panjakana ity orinasa ity mba hijery akaiky ny raharaha ankehitriny. Nandray […]
Toe-karena
Tsena iraisam-pirenena : Mampiasa ny Galileo ny Madagascar Airlines
Misokatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines. Nanambara ity orinasam-pitaterana ana habakabaka ity fa tafiditra ao amin’ny rafitra “Global Distribution System” (GDS) Galileo an’ny Travelport ny tolotra omeny ny mpanjifa. Fitaovana ampiasain’ny Agence de voyage maneran-tany amin’ny famandrihana sidina, trano fandraisam-bahiny, fiara hofaina ary tolotra fitsangantsanganana hafa ny Galileo. […]
Sendikan’ny Jirama : Mitaky ny fialan’ny Tale jeneraly
Araka ny vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, mikasa hanao fitokonana faobe, anio, etsy Ambohijatovo, ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama sasany no hitarika izany eny an-toerana. Mbola mipetraka ho votoatin’ny fitakian’izy ireo ny fanalana ny tale jeneralin’ity orinasa ity, i Ron Weiss, ary milaza izy ireo […]
Fampiasana ny Internet : Miantso ny hijerena ny sarany ny Artec
Manao antso avo hijeren’ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny saran’ny fampiasana ny internet eto amintsika ny Artec. Velon-taraina mahakasika ny tolotra ny mpanjifa. Nandray andraikitra manoloana ny fitarainan’ny mpanjifa mahakasika ny saran’ny internet eto Madagasikara ny Autorité de régulation des technologies de communication (Artec). Araka izany, miantso ireo orinasam-pifandraisan-davitra hijery akaiky sy hanitsy […]
Vaovao tambatra
Tsy mbola mivaha ny olan’ny sehatry ny lavanila eto amintsika. Misy ny mpandraharaha sasany milaza fa tokony halalahana ny tsena ary tsy ferana ny isan’ny mpandraharaha te hanondrana any ivelany. Misy kosa anefa ny mitsipaka an’izany, satria tsy mahavaha ny olana ny fanalalahana azy. Anisan’ny mampitotongana ny vidiny koa anefa, […]




