Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka ny fametrahana ny ivontoerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro ao Toliara, manana tanjaka 5MW. Hatsangana mandritra ny tapany voalohany ny 2,5MW raha hovitaina amin’ny taona ho avy ny tapany faharoa. Mitotaly 10 MW ny tanjaky ny angovo ho azo aorian’ny fanatanterahana ny asa. Tanjona ny hampisitrahana angovo madio ho […]

Toekarena manga : Lalim-pototra ny fiaraha- miasa amin’i Chine

Vita sonia omaly, teny Ampandrianomby, ny fifanaraham-piaraha-miasa an’i Madagasikara sy i Chine momba ny fanondranantsika vokatra mankany amin’ity firenena ity. «Hifantoka betsaka amin’ny fiarovana sy fitiliana ireo hazandranomasina ny fiaraha-miasa mba hiantohana ny kalitaom-bokatra mankany Chine», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré. Tanjona ny […]

Toliara II : Nodiovina ny lakandrano manondraka 3 000 ha

Mitohy ny fanohanan’ny Base Toliara ny mponina amin’ny lafiny famokarana. Nodiovina ny lakandrano entina hanatsarana ny fambolena, tamin’ny alalan’ny Asa tanamaro. Nahatratra 2 700 ny olona nandray anjara tamin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny lakandrano Andoharano Mamovoky, mampitohy ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisiha, distrika Toliara II. Nanohana ny asa ny orinasa […]

Fampandrosoana eny ifotony: hanohy ny asa efa natombony any Antalaha ny JCA

Nambaran’ny filohan’ny “Jeunes cadres d’Antalaha – JCA”, Nerapide Jaonary, fa anisan’ny laharam-pahamehan’izy ireo ny fanajariana ny tanànan’Antalaha ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo izany. «Tsy natao ho an’ny fitondram-panjakana foibe ihany ny fampandrosoana fa andraikitra ifampizaran’ny rehetra. Antony nahatonga anay nanatanteraka ireo asa teo aloha ary mbola manohy izany amin’izao […]

Madagascar Airlines: nivoaka ny daty fanonerana tapakila

Taorian’ny fangatahana nataon’ireo mpandeha voakasiky ny sidina nofoanana, nilaza ny Madagascar Airlines fa efa fa nivoaka ny tetiandro hanonerana ireo vidina takapika. Nampahafantatra ny kaompania fa manana ny mari-bola ahafahana mamerina ireo vidina tapakila izy ankehitriny. Misy, araka izany, ny fandaharam-potoana hiantohana ny fizotry ny fangatahana. Efa manomboka amin’izao ka […]