Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Lany teny Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna laharana 026/2026 momba ny famatsiam-bola mitentina 250 tapitrisa dolara ho an’ny Fandaharanasa Ascent Madagascar. Mikendry ny hampisitraka angovo madio sy maharitra ho an’ny olona 2,5 tapitrisa hatramin’­ny taona 2030 ny fandaharanasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana herinaratra vaovao 312 500, fizarana fatana mitsitsy 1,5 […]

Ady amin’ny haromotana: Saka sy alika 1 500 ho vosirina sy atao vaksiny

Andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromontana (JMR), omaly 28 septambra. Lohahevitra noraisina ny hoe, « Miaraka isika, mahery ko­koa ». Manoloana izany, nampahafantarin’ny minisitry ny Fiompiana (Minel), Randri­ano­menjanahary Riana, ny paikadim-pirenena ahitana ny fiaraha-miombon’antoky ny telo tonta (3P), ny minisiteran’ny Fiompiana, ny orinasa Mad Dog Initiative ary ny tohana avy amin’ny fikambanana Fondation […]

Madagascar Airlines : Hanao sidina vaovao hampitohy ny Nosy Boraha sy Saint-Denis

Hisy sidina vaovao hampitohy ny Nosy Boraha (Sainte-Marie) sy Saint-Denis, any La Réunion, ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Sidina hanomboka ny 3 Oktobra, izay hampifandray mivantana voalohany ireo nosy roa ao amin’ny ranomasina Indianina. Hiainga eto Antananarivo ny sidina voalohany ary handalo ao amin’ny Nosy Boraha, alohan’ny hisidina mankany Saint-Denis. Hanaraka […]

Tetikasa INBAR : Mitondra fampandrosoana ny fihariana Bamboo

Natao, ny zoma 25 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mahakasika ny seha-pihariana Bamboo, na volotsangana. Nandray anjara avokoa ny mpisehatra voakasika ao anatin’ny rojom-pihariana tsy an-kanavaka. Tafidi­tra ao anatin’ny tetikasa Inbar (International Bamboo and Rattan Organization), iarahana miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Foibe […]