Toe-karena

Hanomboka ny tetikasa : Hamokatra herinaratra 120 MW ny Tohodrano Volobe 2

Tontosa, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana (Protocole d’accord) amin’ny tetikasa Volobe Amont. Dingana lehibe hivoaran’ny tetikasa. Nanatontosa ny fanaovan-tsonia ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rabearimanga Radoni­rina Lucas, sy ny tale jeneraly ny CGHV, Rémy Huber. Na­natrika ny fotoana ihany koa ny filohan’ny Fanavaozana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nisy tomponandraikitra ambony teo aloha nanao fanahy iniana namaha antsokosoko ny fanagiazana efa nataon’ny fanjakana (brise de scellée), araka ny tatitry ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Fitaovana fitrandrahana volamena, « drague suceuse » artizanaly nampiasainy teny amin’ny reniranon’Ikopa any Maevatanàna ity nogiazana nefa novahany ity. Heloka sazian’ny lalàna ny fanaovana izany, satria […]

Fandraharahana : Varavarana manokatra ny tsena ny fenitry ny vokatra

Nifampidinika tamin’ny tomponandraikitry ny Banky iraisam-pirenena eto Mada­gasikara ireo mpikambana sasany ao amin’ny Governe­manta. Fifanakalozan-kevitra izay tafiditra ao anatin’ny dinika momba ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena. “Dingana lehibe amin’ny rojom-pihariana ny varotra”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Mila fantarina, hoy izy, ny filan’ny mpanjifa, ny […]

Banky iraisam-pirenena : Hamafisina ny fiaraha-miasa

Fampandrosoana sy famoronana asa. Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena, indrindra amin’ireo sehatra miantraika mivantana amin’ny fari-piainan’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny toekarena. Nifampidinika tamin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, ny Tale misahana an’i Mo­zam­bika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelles eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Fily Sissoko. […]