Mandeha ny asa ataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Mitiotaly 1 650 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody, ny 6 hatramin’ny 11 jolay 2024 teo. Hetsika ana habakabaka nampiasana helikopitera, ny 1 500 ha ary nahatratra 150 ha ny natao an-tanety. Mitohy ny hetsika hampiasana ny angidimby, arakaraka ny […]
Toe-karena
Tetikasa Prosol: miroborobo ny fambolena mikajy ny tontolo iainana
Tapitra ny tetikasa Prosol any Andranofasika sy Ankarafantsika, faritra Boeny, vatsian’ny fiaraha-miasa alemà Giz ara-bola. Nisongadina ny fambolena agroekolojika. Nijery mivantana ny fizotry ny asa sy ny fiantraikany amin’ireo misitraka ny tetikasa Prosol any Mandritsarahely sy Andranofasika, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, ny herinandro […]
Tombola Miara-manorina mba haharitra : lasan’i Bruno mpanjifa avy eto Antananarivo ny loka lehibe
Ho fanomezan-danja ny akora vokariny, nampanao fifaninanana « Tombola » ho an’ireo mpanjifany ny orinasa Alpha ciment. Norombahin-dRafaralahindrianiaina Bruno avy eto Antananarivo ny loka goavana. Natao ny alarobia 10 jolay lasa teo, tetsy Tsaralalàna, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa nahazo tamin’ny «Tombola Miara-manorina mba haharitra», nokarakarain’ny orinasa Alpha […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiara-hiasa ny APMF sy ny polisim-pirenena amin’ny fanotana « Pièce d’identité de Marin » (PIM) ho an’ireo tantsambo malagasy. Mahatratra 11 000 ireo tantsambo teratany malagasy ary miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ny 5 000 amin’ireo. Hanamafy ny fitokisan’ireo mpampiasa, ny mpampitao sy ny tompon-tsambo, ny fitokisan’ireo firenena hafa ny tantsambo malagasy mandalo […]
Paositra malagasy: nisitraka fampitaovana ireo fakitera
An-tapitrisa isan-taona ny taratasy zarain’ny Paositra malagasy (Paoma) raha ana hetsiny kosa ireo entana tanteriny manerana ny Nosy. Nisy, araka izany, ny fampitaovana, toy ny moto, kitapo (sac porte-document et sac à dos) an’ireo faktera maherin’ny 200 eo anivon’ny Paoma tetsy Alarobia, ny zoma teo, hanatsarana ny fomba fiasa sy […]