Toe-karena

Tetikasa PIC 3 : Manome tantsoroka ny fandraharahana

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fahaiza-manaon’ny mpitantana. Tafiditra ao anatin’ny drafi-panatanterahan’ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance » (Pic) 3, izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ny hanohanana ny fitomboan’ny orinasa madinika sy salantsalany any amin’ny faritra. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana an’ireo mpandraharaha amin’ny […]

Mitohy ny trafika : Teratany sinoa iray nahatrarana sokatra 162

Tsy mety foana fa vao mainka mirongatra ny trafika sokatra eto amintsika, toy ity teratany sinoa iray nahatrarana sokatra miisa 162 ity. Misy koa ny efa voaheloky ny fitsarana niditra am-ponja, fa navoaka indray. Nampita vaovao tany amin’ny Zandarimaria Zana-tobim-paritra An­kadin­dravola Ivato, Borigady Talata­maty, ny olon-tsotra mo­nina eny Ilaivola-Ivato, omaly […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiverina manomboka ny 13 desambra ny sidina mampitohy an’i Madagasikara sy Mayotte. Dingana vaovao ho amin’ny fanatsarana ny zotra ana habakabaka izany ka hampiroborobo bebe kokoa ny fifandraisana amin’ny Nosy Kaomoro. Hisantatra ny sidina ny kaompania Ewa Air. Porofo izao fa manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena, indrindra ny sehatry […]

Banky iraisam-pirenena : Manome tohana 4 miliara dolara

Mitentina 4 miliara dolara ny tetibola natokan’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana 23 atao eto Madagasi­kara. Mitsinjara amin’ny sehatra efatra lehibe izany dia ny angovo, ny rano, ny lalana ary ny haitao ara-kajy mirindra. Nasongadin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck, omaly, fa « miandry ny fanatanterahana ireo asa re­hetra ireo izahay […]

Herinaratra : Foana ny delestazy any Toliara

Foana tanteraka ny delestazy ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mandeha araka ny tokony ho izy ny famatsiana herinaratra any an-toerana, vatsian’ny orinasa Enelec. Mahatratra 4,2 MW isan’andro ny filan’ny mpanjifa ao Toliara, ary tafa­katra 8,5 MW amin’ny hariva. Araka ny fifanarahan’ny Enelec, ao anatin’ny vondrona Filatex, amin’ny fanjakana, herinaratra 9,9 MW no […]