Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Anisan’ireo firenena ambany toerana indrindra aty Afrika i Madagasikara, raha ny tatitra navoa­kan’ny Global Attractiveness Index 2025 (GAI). Na izany, “manana loharanon-karena samihafa azo hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny”, hoy ny Vondrona eoropeanina. Ilaina, araka izany, ny fananana politika mazava sy fanapahan-kevitra mirindra ho an’ny tombontsoa iombonana sy ny fampiroboroboana […]

Kaompania Ewa Air : Hisy sidina mivantana Madagasikara-Mayotte

Mitondra fanazavana sady fanitsiana ny kaompania Ewa Air, manoloana ny vaovao niely tany amin’ny fampahalalam-baovao an-gazety sasany teto Madagasikara. Notsipihiny fa hisokatra manomboka amin’ny sabotsy 13 desambra 2025 ho avy izao ny sidina mivantana mampitohy an’i Madagasikara sy Mayotte. Hisy indroa isan-kerinandro ity zotra ity, ary manan-kery ao anatin’ny fotoana […]

Fampandrosoana: Zava-dehibe ny fandraisan’ny tanora anjara

Antoka ho an’ny hoavy mamiratra eto Madagasikara ny fahafahan’ny tanora mandray andraikitra sy mahafantatra ny tontolo manodidina azy. Ilaina ny hevitr’izy ireo mba hamolavola politikam-pampandrosoana sy hanova ny zava-misy. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fam­pandrosoana », andiany fahadimy, teny amin’ny Oni­versite katolika (UCM), Am­batoroka. Hetsika izay nokarakarain’ ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mbola misy mihitsy ny fanomezana alalana na fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany navoaka sy nosoniavin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Hamafisin’ny minisitera fa tsy handefitra manoloana ireo manao hosoka ary handray fepetra hentitra amin’ireo rehetra minia mandika lalàna ny minisitera. Natao ity fampitandremana ity manoloana ireo tranga sy angom-baovao voaray. […]

CCIA : Vonona hanohana ny orinasa malagasy

Nanao tatitra momba ny taom-piasany voalohany ny birao vaovao mandrafitra ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), ny talata teo. Nisongadina manokana ireo sehatra laharam-pahamehana, ahitana ny lohamenaka, ny fanodinana ny cacao, ny tolotra momba ny niomerika ary ny sehatry ny lamba. « Notsongaina manokana ireo sehatra ireo noho izy […]