Toe-karena

Andron’ny seha-pamokarana: manohana ny indostria sy ny vokatra eto an-toerana

Hanomboka ny zoma ka haharitra telo andro ny Andron’ny seha-pamokarana atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fotoana hampahafantarana ny vokatry ny indostria malagasy. Ho hita eny a-toerana avokoa ireo orinasa 12 nisitraka ny fiarovana ara-barotra napetraky ny «Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales» (ANMCC). Tan­jona ny hanjifan’ny Malagasy ny […]

Tetikasa Sahofika: famokarana herinaratra lehibe indrindra eto Madagasikara

Goavana indrindra amin’ny famokarana herinaratra ny tetikasa Sahofika, hatrany amin’ny 200 MW. Manana petra-bola ao ny fanjakana malagasy iarahana amin’ny orinasa Neho. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vovonan’orinasa Neho (Nouvelle énergie hy­droélectrique de Onive) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), misolo tena ny fanjakana malagasy. Na­natrika […]

VAOVAO TAMBATRA

Natao ny 5 mey teo ny fanaraha-maso ny asa any amin’ny RN12. Mirefy 2 km ny asa fanarenan-dalana natao any amin’ny kaominina Ambila, eo anelanelan’ny tanànan’i Manakara sy Fitovinany. Tanteraka izany, vokatry ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida miaraka amin’ny UNOPS vola. […]

Fandoavam-bola niomerika: Manohana ny fanjakana ny Airtel Money

Nampahafantarina ofisialy ny 9 mey teo, ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money sy ny Rafitra fifanakalozam-baovao hitantanana ny vola miditra amin’ny fanjakana ankoatra ny hetra (SIGRNF) eo anivon’ny Fitantanana foibe ny sampana informatika ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitanta­nambola (MEF). Azo aloa amin’­ny Airtel Money ny saran’ny […]

Fonja sy akany: Tohana avy amin’ny Sekreteram-panjakana

Tonga teny amin’ny akany Mandrosoa Anjanamasina, Alakamisy Anosiala, toby fanabeazana sy fanarenana ireo zaza nania, ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleo­van-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy, ny 10 mey teo. Nizarana sakafo ara-pahasalamana ny ankizy miisa 79 beazina ao an-toerana, niampy kilalao, boky fitaizana sy […]