Manoloana izao hain-tany mandalo eto amin’ny nosy izao, namoaka fanambarana ny orinasa malagasy misahana ny jiro sy rano, (Jirama) ao Fianatantsoa, omaly. Araka ny nolazain’izy ireo, tsy mitazam-potsiny ny orinasa amin’ny fihenan’ny tosaky ny rano miditra ao amin’ny « captage » Ankidona, fa misy ny asa fametahana tohodrano mba hahafahana manangona rano […]
Toe-karena
Fitsinjovana ny karazana : Mikatona ny fanjonoana oratsimba
Mampahafantatra ny besinimaro, araka ny didim-panjakana lah 2017-854, navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Voalaza fa voarara ny fanjonoana, ny fivarotana, ny fividianana, ny fitaterana karazana hazandranomasina oratsimba (langoustes), manomboka ny 1 oktobra 2025 hatramin’ny 31 desambra 2025. Voakasik’io didim-panjakana io ny faritra Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, […]
Lalam-pirenena faha-4 : Atao anaty adiny 4 ny lalana Ambondromamy-Mahajanga
Vita ny ankamaroan’ny lalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Mitohy ny fanavaozana ataon’ny orinasa CRBC, avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR). Maromaro ny lalampirenena harenina, ankehitriny. Anisan’izany ny RN2, ny RN4, ny RN7. Ho an’ny RN4 (Antananarivo-Mahajanga), vita ny fanarenana ireo ampahany tena ratsy, hatreo Ambovomandresy. Atao ao anatin’ny […]
Fanorenan-trano: Mahazaka loza voajanahary ny “polymur”
Vaovao! Manara-penitra, mafy, mampihena ny fandaniana amin’ny fanorenana trano ny fampiasana ny “polymur”, vokatra vaovao ataon’ny orinasa Polytech eny Ambohimalaza. “Mahazaka tanteraka ireo loza voajanahary samihafa toy ny rivodoza, horohorontany, sns, izy satria vy avokoa ny mandrafitra ny trano sy ny rindrin-trano”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotry ny Polytech, Ramamonjiarisoa […]
VAOVAO TAMBATRA
Filaharambe no hita eny amin’ny fakam-bola Gab, manerana ny Renivohitra. Fotoana fivoahan’ny karama ho an’ireo mandray izany isam-bolana rahateo izao, indrindra ny mpiasam-panjakana. Sarotra ihany koa, nifampitadiavana, ny solika teny amin’ny mpaninjara. Miantraika any amin’ny fanjifana avy hatrany anefa izany, hitarika ho any amin’ny varo-mazina sy ny risoriso. Mikatso tanteraka […]




