Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Tontosa tao Toamasina, ny 22 septambra, ny fivoriana andiany faha-8 ho fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP). Nibahana nandritra ny fihaonana sy ny dinika natao ny momba ireo fomba fiasa eo anivon’ny seranan-tsambo manaraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka mahakasika ny fanafarana sy fanondranana […]

Foara Regan – distrika 13: Hisongadina ny vokatra avy eto Analamanga

Hatao ny 25 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hesika lehibe, « Foaran’Analamanga » (Regan). Lohahevitra noraisina ny hoe, « Analamanga, faritra lovainjafy ». Mikarakara azy ny faritra Analamanga, izay mpanohana mivantana toy ny mahazatra ny orinasa Yas. Hasongadina amin’ity andiany fahatelo ity ny hampahafantaran’ireo distrika 13 ao […]

Fifandraisan-davitra : Ampiasain’ny Airtel anaty finday ny teknolojia VoLTE

Hiaka vaovao amin’ny firesahana amin’ny finday ny VoLTE atolotry ny Airtel. Mifanandrify amin’ny vinan’ny fanjakana amin’ny fiovana mankany amin’ny fampiasana ny niomerika izany. Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny mpanjifan’ny Airtel ny fampiasana ny VoLTE (Voice over LTE). Fotoana niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampandro­soa­na ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny 25 septambra ho avy izao ny andro hankalazana ny Ranomasina. Ny lohahevitra entina amin’izany dia ny hoe : “Ny fanasongadinana ny anjara toeran’ny ranomasina sy ny ranomasimbe eo amin’ny toekarena manerantany”. Satria ny 80% ny varotra iraisam-pirenena dia miampita ranomasina avokoa. Mandritra ny 4 andro, hisy ny asa […]