Toe-karena

ITM-IHM : « Hanangana hotely kintana 5 miisa 15 », hoy ny filoha Rajoelina

Anisan’ny nivoitra nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny hetsika ITM-IHM, ny hanan­ganana hotely lehibe kintana 5 miisa 15. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany. Nisantatra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ITM andiany faha-10, sy ny asa tanana IHM, andiany voalohany, eny amin’ ny CCI Ivato, […]

Atlantic Group : misokatra eto amintsika ny AFG Bank

Kihon-dalana vaovao eo amin’ny tontolo ara-bola ny fisokafan’ny AFG Bank eto Madagasikara. Noto­kanana tamin’ny fomba ofi­sialy omaly ity banky vaovao ity izay etsy amin’ny Immeuble Gateway Ankorondrano rantsa-mangaikan’ny vondrona Atlantic Group. Tonga nano­trona izany ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasi­mbelo, ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo […]

Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany: fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco

Nanao rodobe teny amin’ ny biraon’ny Bianco eny Ambohibao, omaly 19 jona 2024, ny mpitantana ambony ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MIM) sy ireo rantsa-mangaika ao aminy, toy ny Omnis, ny BCMM, ny Anor, sns. Napetraka teny ny antontan-taratasy mirakitra ny fa­nambaram-pananan’izy ireo, izay fanao ho an’ny mpiasa ambony […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 37,7% ny fanondranana vokatra lamba nataon’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia tamin’ny taon-dasa raha oharina tamin’i Frantsa izay 22,13%. Mitentina hatrany amin’ny 4 miliara dolara ireo vokatra naondrana. Firenena voalohany manafatra ny vokatry ny indostrian’ny lamba eto Madagasikara i Etazonia. Harahi-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy. […]

Vita ny tetezan’i Nosibe: mamelona indray ny toekarena ao Toamasina

20 taona taorian’ny nahapotehany, vita tanteraka ny tetezan’i Nosibe, PK 22 – RIP 7, mampitohy an’Ivoloina sy Ambodiriana , 35 km avaratra andrefan’i Toamasina, ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana. Ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]