Toe-karena

Fihenan’ny vidim-bary: matiantoka ny tantsaha mpamokatra

Matiantoka tanteraka ny tantsaha manoloana ny fihenan’ny vidim-bary misy amin’ izao fotoana. Antony indrindra nanaovana ny dinika niara­han’ireo mpisehatra samihafa, toy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MCC), ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Fambolena sy ny fiompiana (MinAE) anjara, tetsy Ambohidahy. Tao koa ny Association professionnelle des institutions […]

Business Ready 2025: mila hatsaraina ny fandraharahana eto amintsika

Fanamby amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanavaozana ny rafi-pitantanan’ny orinasa mba hiantohana ny fifaninanana ara-drariny, araka ny tatitra navoakan’ny Business Ready 2025. Namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Business Ready (B-Ready) 2025 ny Banky iraisam-pirenena. Tatitra vaovao natao handrefesana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fisarihana ny fampiasam-bola izy io. Ity tatitra […]

Sehatry ny asa: 60 000 ireo ho raisina mpiasam-panjakana

Haverina, hanatevenana indray ny mpiasam-panjakana, ny fandraisana ireo « Employés fonctionnaires assimilés » (EFA) sy ny “Employés de longue durée” (ELD) miisa 65 279 rehefa niato izany ny volana febroary 2020. Io ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, (MTFOP) Florent Soatiana Bety Léonne. “Niainga tamin’ny fanadihadiana lalina nataon’ny […]

Fanondranana drakaka: voafaritra ny « quota » ho an’ny mpandraharaha tsirairay

Nivoaka taorian’ny dinika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny solontenan’ny Fiaraha­mo­nim-pirenena ary ny Bianco ny « quota » andiany voalohany ho an’ireo mpandraharaha mpanondrana drakaka, ho an’ ny taona 2026. Araka izany, na­­tokana ho an’ireo orinasa efa miantsehatra amin’ny seha-pihariana drakaka ny 70% ny « quota » ny fanondranana. Mi­isa 13 […]

FIVMPAMA: mitaky fanovana lalina amin’ny rafitra ara-toekarena

Ilaina ny fanovana ara-drafitra amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Small Business Act » hanatsarana sy hampivoarana ny fandraharahan’ny orinasa madinika eto Madagasikara. Izy ireny izay mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Mitaky fanovana lalina eo amin’ny rafitra ara-toekarena eto Mada­ga­sikara ny filohan’ny Fivon­dro­nan’ny mpandraharaha mala­gasy (Fivmpama), Rakoton­dra­sanjy Rivo. Ma­nen­tana ny […]