Toe-karena

Fadintseranana malagasy : hamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany

Hisy ny fanatsarana entin’ny fadintseranana amin’ny fiambenana ny sisintany sy ny fari-dranomasina. Hampiasa fitaovana raitra sy hanamafy ny lafiny fifaneraserana amin’ny mpanjifa izy ireo. Anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ny eo anivon’ ny fadintseranana mala­gasy, ankehitriny. Hiompana amin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fanaraha-maso ny sisintany izany. Hiroso amin’ny fampiasana […]

Airtel Africa : Fiaraha-miasa amin’ny Network

Misehatra amin’ny fanamorana ny varotra niomerika amin’ny firenena 50, ka 40 aty Afrika ny orinasa Network international. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Airtel Africa, izay miasa amin’ny firenena 14, hanamorana ny fifanakalozam-bola. Maherin’ny 200 ny rafitra ara-bola iasany ka manodidina ny 1,6 miliara ny fifanakalozana ara-bola niomerika ataony. Toy ny fanangonam-bola […]

Angovo azo havaozina: hamokatra herinaratra ny Marea

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tahan’ny famokarana sy fisitrahana herinaratra eto Madagasikara izay ho tonga hatrany amin’ny 800 MW ka avy amin’ny angovo azo havaozina ny 70% amin’izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny «Birdy» Galaxy Andraharo, ireo mpisehatra matihanina sy mpamokatra angovo azo havaozina […]