Tafakatra hatrany amin’ny 80% ny fanafoanana famandrihan-toerana, raha maherin’ny 100 tapitrisa dolara kosa ny fatiantoka teo amin’ny sehatry ny fizahantany, taorian’ny krizy niseho ny 25 septambra teo, araka ny fanambarana nataon’ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM). Disoana tanteraka ihany koa ny tarehimarika navoakan’ny minisitry ny Fizahantany teo aloha izay […]
Toe-karena
Sehatra stratejika: Hanohy ny asa efa natomboka ireo minisitra vaovao
Hotohizana ireo tetikasa efa mandeha hanarenana ny toekarena enti-mampandroso ny firenena. Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana ny hamahana ny olan’ny angovo sy hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. «Hojerena ny marimaritra iraisana hamahana ny olan’ny angovo », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, omaly, […]
VAOVAO TAMBATRA
Miandrandra fanovana sy fanarenana haingana ny toekarena sy fampandrosoana ny firenena ny Malagasy rehetra taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovaon’ny governemanta. Maro ny asa miandry ny tsirairay ary manantena rivo-baovao eo amin’ny sehatry ny toekarena ny isan-tokantrano. Miandry vokatra haingana sy mahomby avy ami’ny minisitry ny Toekarena ny Malagasy indrindra mahakasika […]
Letisia : Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity
Hanomboka ny 15 ka hatramin’ny 20 novambra ny taom-piotazana letisia eto amintsika. Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha. « Nisy ny ezaka nataon’ireo mpisehatra taorian’ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa hanatsarana ny vokatra. Ity farany izay mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy […]
Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé : Manam-pahaizana momba ny toekarena
Anisan’ireo endrika vaovao ao anatin’ny governemanta ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, voatendry ho minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manam-pahaizana momba ny toekarena sy mpampianatra eny anivon’ny oniversite ny tenany. Izy, araka izany, no handimby an-dRabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fanamby goavana ny miandry ny minisitra vaovao, hanarenana ny toekarem-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany […]




