Niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ny zava-pisotro labiera nanomboka ny taona 2020 hatramin’ity 2025 ity. Tafakatra 850 Ar isaky ny litatra raha 290 Ar/l izany teo aloha, izany hoe nisy fitomboana 293%. Vokany, tsy maintsy nampiakarina ny vidiny nefa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mpanjifa intsony. Manoloana ireo, tandindonin-doza […]
Toe-karena
Tetikasa Produir: Tsy misy ny fanotorana tany
Nitondra fanazavana ireo tomponandraikitry ny tetikasa Produir sy ny Apipa, manoloana ny filazana fa manototra tany ny fiaraben’ny Tetikasa. Fanotorana tany vonjimaika no atao eny Namontana Anosibe, handehanan’ny fiara vaventy manala ireo fotaka, mialoha ny hitaterana azy any Iarinarivo Ambohidratrimo. Misy ny fahazoan-dalana manokana hanaovan’izy ireo izany. Satria tanimbary ny […]
Toekarena : 11% ny harinkarena faobe ny tahan’ny hetran’i Madagasikara
Ambany ny taham-pampidirana hetra eto Madagasikara, izay anisan’ny mamatsy vola anatiny ny tetikasa atao. Mahalana sady tsy mahafantatra ny fampiasan-ketra ny ankamaroan’ny Malagasy. «Mila ezaka ny fampitomboana ny hetra izay tsy misy afa-tsy 11% ny harinkarena faobe monja», raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola vaovao, ny Dr […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitaky ny handravana ny filankevi-pitantanan’ny Omnis ny sendikàn’ny mpiasa. Voalaza fa mbola ny minisitry ny Paositra teo aloho no PCA ny orinasa raha efa nifarana ny volana novambra 2024 ny fe-potoana iasany. Mitaky ny hamerenana ny andiany « Pétrolier » sy ny orinasa ho eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika mivantana ihany […]
Loharanon-karena anatiny: Hametraka rafi-pampandrosoana mahomby
Vaindohan-draharahan’ny governemanta vaovao ny fanavaozana hanatsarana ny toekarena hampandrosoana ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga teo aloha, Mahatante Paubert, sy ny minisitra mandray ny toerana Cahn Kit Waye Jaco, teny Ampandrianomby, omaly. « Apetraka ny rafitra ahafahana mandrindra ny fanjonoana drakaka », […]




