Hampitombo ny toekaren’ny mponina sy ny tanànan’i Toamasina ary hampiakatra avo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami). Hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ity fotodrafitrasa nandrasan’ny maro ity. Tanteraka ny fanamby! Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami) […]
Toe-karena
Lavanila: nahazo tohana avy amin’ny Cnuced
Tratra ny tanjona ho an’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) tamin’ny adisisika natao nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), tany Suisse. Nahazo tohana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Cnuced, Rebeca Grynspan, ny minisitera hananganana […]
Fitaterana ana habakabaka : hatsaraina ny seranam-piaramanidin’Ivato
Antoka handrindrana ny asa rehetra atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ary hiarovana ny kolikoly eny an-toerana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Maro ireo teboka hojerena hanatsarana ny fotodrafitrasa. Tonga teny amin’ny seranam-piaramadin’Ivato, ny alarobia teo, ireo mpisehatra rehetra amin’ny « Gestion coordonnée des frontières » nijery ny […]
JME sy JMDS : mandeha ny ady amin’ ny haintany any Atsimo
Nosokafana, omaly, tany Toliara, ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), sy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fiangazan’ny tany sy ny haintany (JMDS). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Max Andonirina Fontaine, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 57 778 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, tao anatin’ny efa-bolana voalohan’ny taona 2024. Niakatra maherin’ny 14,3% ity antontanisa ity raha oharina tamin’ny efa-bolana voalohan’ny taon-dasa, izay 50 447. Na izany, mbola ambany lavitra ny antontanisa voaangona tamin’ny taona 2019, izay nahatratra 65 070. Niato avokoa ny famatsian-drano tamina toerana […]