Hitondra vahaolana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahan’ny tanora sy ireo teboka hanohanana ny toekarena ny JPM mandritra ny fivoriambe ho ataony. Horesahina manokana ireo paikadim-panarenana sy ny hampandrosoana ny fandraharahana. Hotanterahina ny 26 novambra ny fivoriamben’ny «Jeune patronat de Madagascar» (JPM). Hetsika hamoriana ireo tanora mpandraharaha, mpitantana, manam-pahaizana amin’ny toekarena ary […]
Toe-karena
Jirama: Hihamafy ny fitokonana
Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Mangataka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy […]
CREM : Tokony hapetraka ny fanavaozana ara-toekarena
Mila apetraka ho loharanom-bola ho an’ny fanjakana ny harena an-kibon’ny tany, ho tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny « Cercle de réflexions des économistes de Madagascar » (Crem). Fotoana izao hametrahana ny fahaleovantena ara-toekarena. “Tokony ho laharam-pahamehana hifototra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena, ny fanovana apetraka eto amin’ny firenena”, […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga eny Ambohimanambola ireo fitaovana ahafahana mamelona ireo milina miisa telo simba mpamokatra herinaratry ny Jirama. Mitentinta hatrany amin’ny 3 miliara Ar ireo fitaovana ireo. Hiampy 20MW ny famokarana herinanatra eto an-toerana, aorian’ny fanamboarana ary hihena ny fahatapahan-jiro lavareny. Marihina fa manodidina ny 10 andro isaky ny milina ny fanamboarana […]
“Poesam 2025”: Azon’i Mitao Forecast Africa ny loka voalohany
Natao ny zoma teo, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana «Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient», Poesam 2025. Nibata ny laharana voalohany ny Mitao Forecast Africa. Tetikasa miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia haminavinana ny toetr’andro sy hiarovana ny […]




