Misy ny fitaovana niomerika antsoina hoe Varavarana misokatra ho an’ny antontam-baovao eto Madagasikara (PICM). Miahy azy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), miaraka amin’ny Komity nasionaly manamora ny fifanakalozana ara-barotra (CNFE). Manohana ara-bola ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ao anatin’ny Tetikasa fanajariana ny rohy ara-barotra […]
Toe-karena
Fihaonana an-tampon’ny Cnuced : laharam-pahamehana ny fampandrosoana
Lohahevitra anisan’ny voaresaka nandritra ny andro faharoan’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), omaly, tao amin’ny Palais des Nations ao Suisse, ny sehatry ny toekarena. Nitondrana fanazavana manokana ny politika hampiroboroboana ny indostria ho antoky ny fifanakalozana ara-barotra mahomby. Eo ihany […]
Orange Madagascar : hampiroborobo ny lafiny sosialy
Vonona hatrany ny Orange Madagascar hampiroborobo ny takalo manaja ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana (politique d’achat responsable) sy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny lafiny sosialy (RSE) izay hiarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha samihafa. Nanomboka omaly ny hetsika « Supplier Day » andiany voalohany izay natao tetsy amin’ny Orange Digital Center, gara […]
Fanavaozana ny fanabeazana : mifanakalo traikefa ny mpiantsehatra
Miara-mikaondoha mandritra ny roa andro eto Antananarivo ireo mpiantsehatra sy mpikaroka rehetra amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tanjona ny hahafahana manatsara ny fanabeazana eto Madagasikara Hifarana anio ny fihaonana amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanavaozana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Hampiakarina hatrany amin’ny 15% ny famokaram-bary eto amintsika amin’ity taona ity. Havaozina ny velaran-tany 100 000 ha hanatanterahana izany mba hamokarana 5,6 tapitrisa taonina raha toa ka 5,3 tapitrisa taonina izany tamin’ny taon-dasa. Tanjona ny hampihena ny fanafaram-bary eto amintsika hatramin’ny taona 2028. Hiasa-hiasa amina orinasa tsy miankina eto Madagasikara ny […]