Nanolotra hanam-pamokarana ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, omaly, tetsy Mahamasina. Nahitana zezika biolojika, karazana masomboly : katsaka, tsaramaso, voatabia, sy ny maro hafa ny tolotra. Hovolena eny amin’ny tanin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, eny Ankorondrano, ireo tolotra ireo. Hanatanteraka ny fambolena […]
Toe-karena
Vaovao tambatra
Miverina ny delestazy eto Antananarivo, izay maharitra adiny roa isan’andro, araka ny fanambaran’ny Jirama. Antony, nihena ny haavon’ny rano any amin’ny toby Andekaleka, satria tsy ampy sahady ny rotsakorana amin’izao volana avrily izao. Mandeha ny fanarenana ny RN7, mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Fikojakojana mahazatra, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbolan’ny […]
Vokatry ny fanadihadian’ny USAP-CMA 2025: Niakatra ho 67,07% ny naoty azon’i Madagasikara
Tsara ny vokatra! Niakatra 25 ny isa azon’i Madagasikara taorian’ny fanadihadiana momba ny «Universal Security Audit Programme – Continuous Monitoring Approach» (USAP-CMA) nataon’ny Organisation internationale de l’Aviation Civile (OACI), ny 13 ka hatramin’ny 22 janoary 2025. Nohadihadiana avokoa ireo mpisehatra ana habakabaka eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar (ACM) ka […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : Haverina any Ambohibary ny Vohitry ny vary
Mifototra amin’ny fambolena ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Manjakandriana. Ankoatra ny vary, mamokatra ovy sy legioma hafa ihany koa ny tantsaha. Nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahaefa Tahian’Ny Avo, omaly, ny ben’ ny Tanàna voafidy tany an-toerana, ny Dr Ratsimanetrimanana Fenosoa, lany tamin’ […]
VAOVAO TAMBATRA
Vinavinaina ho vita afaka 10 andro ny fivilian-dalana eo amin’ny reniranon’i Efasy. Tsy afaka ampiasaina kosa ny fiampitana «bac» any Mahavavy satria ambany loatra ny haavon’ny rano. Tsy afaka niampita, noho izany, ny olona sy ny fiara. Afaka 15 andro no heverina fa ho vitan’ny orinasa Colas ny fanamboarana ny […]