Toe-karena

Fotodrafitrasa : Nifanome tanana ny faritra sy ny Spat Toamasina

Fanamby napetraka ny hanafoana ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fidirana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy raha avy ao Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faha-5. Etsy ankilany, ho vita tsy ho ela ny fanitarana ny seranan-tsambo ka tsy ho mena-mitaha amin’ny seranan-tsambo iraisam-pirenena any ivelany. Hifan­garika […]

Tontolo iainana: Mpianala 50 tafiditra mpiasa raikitra

Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) azy 50 mianadahy, ny 16 septambra teo, ny taratasy mirakitra ny fifanarahana arakasa ho azy ireo. Avy amin’ny andiany voalohany, « Santatra », nivoaka ny novambra 2020 sy ny andiany faharoa « Miray », nivoaka ny desambra 2022 izy ireo. Nitarika ny fotoana, nanolotra […]

Angovo azo havaozina : 207 MW vaovao ho azo avy amin’ny masoandro

Vahaolana maharitra amin’ny famatsian-jiro ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanomboka tsy ho ela ny fananganana toby vaovao any amin’ny toerana miisa 38. Tafiditra ao anatin’ny fia­m­pitana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina i Mada­ga­si­kara. Natao sonia ny 16 septambra teo ny fifanarahana voalohany ho an’ny toerana miisa 38 tamin’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Ambony ny ambana amin’ny afo any amin’ny faritra miisa 10 (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Diana, Matsiatra Ambony, Melaky, Menabe, Sofia). Izany hoe, ireo faritra any amin’ny tapany avaratra, andrefana, atsimo ary ny afovoany atsimo no ahitana izany. Milamina kosa amin’ny ankapobeny ny atsinanana sy ampahany amin’ny atsimo andrefana. […]

Fanadihadiana lalina : Tanora 15 nahavita fiofanana

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tanora 15 avy amin’ny faritra manerana ny Nosy niofana momba ny fanatsikafonana. Fiofanana naharitra telo volana, nokarakarain’ny ONG Malina, hampianarana sy hizarana traikefa amin’ireo tanora liana sy efa misehatra amin’ny asa fanaovan-gazety. Tao anatin’izay fotoana izay, nandalina sy nianatra ary niofanana momba ny tontolon’ny […]