Toe-karena

ANMCC : Tafatsangana ny vovonana niomerika

« Hanampy amin’ny fanadihadiana sy fanangonan-kevitr’ireo mpandraharaha ny vovonana niomerika natsangana », hoy ny Tale jeneralin’ny Fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC), Barthé­lémy, omaly, nandritra ny fanokanana ny birao vaovaon’ny ANMCC eny Ifarihy Ankarao­bato. Hanafaingana ny fikirakirana ny antontan-kevitra ka hanamafy ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ity rafitra ity. Manampy amin’ny […]

Madagasikara-Comores : Sidina roa isan-kerinandro

Notanterahin’i Madagascar Airlines, omaly, tany Maha­janga ny sidina hanokafana ny fiverenan’ny fitaterana ana habakabaka mampitohy an’i Madagasikara sy Moroni. Indroa isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania. Hanamora ny fivezivezen’ny mpandeha sy hanamafy ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-pizahantany eo amin’i Madagasikara sy ny Union des Comores izy ity. « Ho antoky ny fampandrosoana […]

Tondrozotra maharitry ny fambolena: Tsara ny vokatra azo tao anatin’ny efa-bolana

Maherin’ny 30 000 ireo mpamokatra nisitraka tohana mivantana tamin’ny alalan’ny fandaharanasa maharitra napetraky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Tsara ny vokatra tao anatin’ny efa-bolana. Nahazo fanofanana sy fampitaovana ny tantsaha, hanohanana ny famokarany ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Paikady napetraky ny minisitera ny hanakaikezana bebe kokoa ny mpamokatra, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahana mandritra ny telo taona ny tetikasa « Hetsiky ny firaisamonim-pirenena ho an’ny vahoaka, ny zavaboary ary ny toetr’andro », vatsian’ny Norad vola. Tetikasa hanohana ny vondrom-piarahamonina sy ny fikambanana eny ifotony. Tanjona ny hitantana ny harena an-dranomasina, amin’ny fanamafisana ny LMMA, ny fisafoana ary ny fanaraha-maso ny jono. Handray anjara […]

Halatra tany : Tompon’antoka ireo mpanao taratasy hosoka

Anisan’ireo fanamby apetraky ny fanjakana ny hamaha ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Mazàna tambajotra mpanao hosoka, mampiasa antontan-taratasy sandoka, mivarotra tany tsy ara-dalàna, mamoaka taratasy fananan-tany tsy ara-dalàna, ireo tranga samihafa misy. Misongadina ao anatin’ireo tranga niseho tao anatin’ny volana vitsy ireo disadisa samihafa. Matetika miainga avy amin’ny fampivarotana tany […]