Toe-karena

Orange Madagascar : niova filamatra ho Orange eo anilanao  

Manamafy ny fanoloran-tenany ho tambajotra azo itokisana amin’ny alalan’ny teny filamatra vaovao ny Orange Madagascar. Nosafidiana manokana ny Orange eo anilanao ho marika fa eo akaikin’ny Malagasy tsirairay, tao anatin’ny fotoana rehetra, nandritra ny 20 taona, ity tambajotram-pifandraisana ity. Tsotra, mora raisina ary mifanaraka amin’ny andavanandron’ny mpanjifa ity tenim-pamantaran’ny Orange Mada­gascar ity. […]

VAOVAO TAMBATRA

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona miisa telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko varika miisa 48 sy sokatra 1 076 tany Thaïlande. Harahin’ny fitsarana maso kosa ny efatra hafa raha toa ka mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ny iray tamin’ireo valo niakatra teny amin’ny Pôle anti-corruption (Pac). Mikorontana tanteraka ny […]

Fandraharahana : hampivondrona mpandraharaha maro ny CEO Business Forum

Hampirisihina ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha amin’ny fitrandrahana ireo harena samihafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Manana harena maro samihafa azo trandrahina tsara ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny toekarena. Ho an’i Madagasikara, manana paikady manokana amin’ny fampiroboroana ny toekarena manga isika. «Laharam-pahamehana ny fametrahana […]

Vola 50 Ariary volamena : Jifaina amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny famarotana ilay vola 50Ar vita amin’ny volamena manamarika ny faha-50 taon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Afaka manjifa izany, amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar, ny rehetra amin’ny alalan’ny fisoratana anarana eny anivon’ny BFM. « Hanamarika ny tantaram-pirenena ny fametrahana ny vola volamena izay hanamarin-toerana sy hanome […]