Toe-karena

Teknolojia niomerika: Miara-miasa ny Airtel Africa sy ny Xtelify

Vita sonia ny 4 aogositra teo ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Africa sy ny Xtelify, izay sampana orinasa misahana ny niomerika ao amin’ny Airtel India. Hanamafy ny fampiasana ny niomerika matanjaka sy avo lenta ity fiaraha-miasa ity. Tafapetraka ny vovonana « lo­giciel » ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA), hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpanjifa […]

Tsena Agoa: Hodinihina amin’ny filoha Trump amin’ny alalan’ny Sadc

Mitarika ny Vondrona Sadc ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny nomarihiny tamin’ny 18 aogositra teo, fa tombontsoa lehibe ny fitarihany an’ity Vondrom-paritra ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nambaran’ny filohan’ny Sadc, fa fomba ahafahana mifampidinika ny Sadc, ary anisan’izany ny fifanarahana amin’i Etazonia, mahakasika ny tsena Agoa. Satria, ho tapitra amin’ny volana […]

Tetikasa « autoroute »: Izay natomboka tsy maintsy vitaina

Misantatra ny fampiasana ny arabe migodana ny Malagasy. Nidina teny Ambodifasina ny filohan’ny Sadc, sady filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisiny fa izay asa natombony dia tsy maintsy hovitaina. Nosantarin’ny filoha Ra­joelina Andry, omaly, ny fanokafana ny ampahan-dalana amin’ny arabe migodana teo amin’ny PK0, Ambodifasina. Mirefy 8 km ny […]

Angovo azo havaozina: Orinasa voalohany hampiasa ny angovo azo avy amin’ny rivotra ny QMM

Miditra tsikelikely any amin’ny fampiasana an­govo madio ny orinasa QMM any Tao­lagnaro. Ampia­saina ny angovo avy amin’ny herin’ny ma­soandro sy ny avy amin’ny rivotra (éo­lienne). Nampiasa angovo ambanin’ny tany, toy ny solika, hatramin’izay ny orinasa QMM any Taolagnaro. Ampiasaina hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra izany, mahatratra 24 MW. Tsy laniny […]

Fandraharahana: Niditra ao anatin’ny Sim ny Ravinala Airports

Niditra ho mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), ny orinasa Ravinala Airports, mi­tantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenea Anta­na­narivo sy Nosy Be. Nana­tan­terahina izany ny fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny fomba fiasa na deontolojia sy ny nahazoany ny mari-pamantarana, label «Malagasy ny Antsika». Midika ireo fa tafiditra ao anatin’ny rafitra ara-toekarena […]