Manaitra ny rehetra ny mpandrindra ny fikambanana Toliara Mijoro, Roberval Jeannot, mahakasika ny fahantrana lalina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. “Leo fijaliana ny mponin’i Toliara”, hoy izy. Ho an-dRoberval Jeannot, mila jerena akaiky ny hoavin’ny tanora sy ny ankizy any Toliara. Mirona any amin’ny fivarotantena ny tovovavy, hany fomba hitany […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Nahazo aina ny vola malagasy nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Izany hoe, niakatra 6,2% ny sandan’ny Ariary raha oharina amin’ny Euro sy ny dolara izay mihoatra ny 4,8%. Mahatratra 80% ny fampodiana ny vola vahiny tamin’ny fanondranana nataon’i Madagasikara nandritra ny volana marsa teo. Miisa sivy ireo orinasa […]
Fivadiham-pitokisana : mpiambina nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy
Mailo! Mirongatra tanteraka amin’izao fotoana izao ny hala-tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any amin’ny faritra. Lehilahy mpiambina iray miasa eny Manazary Ilafy no nahavita nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy tamina andian’olona maro. «Monina sy miasa ao amin’io tananay io aman-taonany maro ity lehilahy ity ka izao nivadi-pitokisana […]
“Festival des baleines”: hanomezana lanja ny sakafo malagasy
Hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 21 jolay, ao amin’ny nosy Boraha (Ste Marie), ny “festival des baleines” andiany fahafito. Homena lanja manokana mandritra izany ny mampiavaka ny sakafo malagasy. Manana ny lazany eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity hetsika ity, noho izy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany, indrindra […]
Firaisamonim-pirenena : manaitra ny fanjakana hijery ny fanondranana harem-pirenena
Hentitra amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena. Mampitandrina ireo mpanondrana antsokosoko ny bibidia sy ireo hazo sarobidy izy ireo ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hanaraka akaiky ny raharaha. Miha matanjaka sy mahazo vahana ny tambajotra mpanondrana ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Mazàna mirongatra ihany koa ny fanondranana […]