Nihena hatrany amin’ny 30,7% ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanadihadiana ny toekarena, ny talata teo. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro […]
Toe-karena
Tetikasa “Pro Agro Youth” : Tanora 200 miofana hanodim-bokatra
Nomena lanja manokana ny tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra, tamin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo amin’ny sehatry ny fanodinana vokatra ara-tsakafo, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Pro Agro Youth”. Miisa 200 mianadahy ny tanora avy eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra nisitraka ny fiofanana. Nisy, araka izany, ny vokatra mivaingana nataon’ireo […]
Harena an-kibon’ny tany: mivelatra ny sehatra iasan’ny Omnis
Voafaritra avokoa ireo paikady vaovao ataon’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo indostria stratejika (Omnis) amin’ny fikarohana sy fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny alalan’ny fikarohana atao. Notanterahina omaly, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fihaonamben’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo […]
Fahavitan’ny lalana : manamora ny famoaham-bokatra
Hifamezivezen’olona aman-jatony isan-kerinandro, manampy azy ireo amin’ny fitateram-bokatra, ny fahavitan’ny lalana mirefy 10 km mampitohy an’i Mahitsy sy Farahantsana, amin’izao fotoana. Nandray an-tanana ny fanavaozana io lalana io ny orinasa Tozzigreen nanomboka ny taona 2020 teo. Niara-nisalahy tamin’ny fifanomezan-tanana rahateo ny kaominina voakasika, toy ny ao Ambohimasina izay nanome ny […]
Filoha Rajoelina Andry: hampiroboroboina ny angovo azo havaozina
Ao anatin’ny ezaka fanatsarana sy fitadiavana fiaraha-miasa amin’ireo firenena sy fikambanana avy any ivelany ny fitondram-panjakana. Mihatsara ary mitombo hatrany ireo firenena sy fikambanana miara-miasa amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra maro. Tontosa omaly, tao Abu Dhabi, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny talen’ny Agence internationale pour […]