Miantraika amin’ny tsena anatiny ny tsy fahamarinan-toeram-bidin’ny cacao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatratra 12 000 dolara ny iray taonina amin’ny cacao ny tapaky ny volana avrily teo, raha 4 000 dolara izany tamin’ny fiandohan’ny taona. Tsy ampy ny cacao ao Ambanja, tsy misy indostria ihany koa ao an-toerana. Horaisin’ny fanjakana an-tanana […]
Toe-karena
Fifanakalozana : mamolavola politika ara-barotra i Madagasikara
Fepetra iray takin’ny maha mpikambana antsika ao anatin’ny vondrona iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC) ny fanolorana ny politika ara-barotra. Tonga eto Madagasikara miatrika ny fivoriana fanangonan-kevitra mahakasika izany ny tomponandraikitra ao amin’ny OMC. Nanomboka ny talata teo ka haharitra telo andro ny fivoriana izay iharahana amin’ireo departemantam-panjakana misy ny minisiteran’ny […]
Faritra Menabe : tafakatra 32% ny voka-boanjo
Manodidina ny 13 500 taonina ny voka-boanjo ao amin’ny faritra Menabe manontolo, tamin’ity taona ity. Izany hoe, niakatra 32% ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa. Antony nahazoana izany ny tohana nomen’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Purpa sy ny talem-paritra ao an-toerana ary ny FDA Menabe. Nety tamin’ny […]
Tao anaty 20 taona : mirongatra ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara
Mbola manjaka sy miseho amin’ny endrika samihafa ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Tsy mitsaha-mirongatra izany tao anatin’ny 20 taona. Anjakan’ny olana saro-bahana sy mahazo vahana ny fananan-tany. Nilaza ny sehatra iombonan’ny fananan-tany (SIF) fa mifototra amina teboka telo ny endrika isehoan’ny olan’ ny fananan-tany eto Madagasikara. Ao ny olana ateraky […]
VAOVAO TAMBATRA
Vao mainka niakatra ho 7 000 Ar ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’ Andravoahangy. Nambaran’ny mpivarotra fa avy any amin’ny vidiny apetraky ny mpamongady azy ireo no mahatonga izany. Nilaza indray anefa ireto farany fa ny saram-pitaterana apetrak’ireo tompona fiarabe mpitatitra mihitsy no tena lafo. Mampiranty sy mampahafantatra ny tontolon’ny […]